MPONIN’I VANGAINDRANO

Mila olom-baovao mahavita azy ny tantsaha


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Mila olom-baovao mahavita azy ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny distrikan’i Vangaindrano mba hanatsarany ny fiainany.

Hatreto mantsy dia mbola lalan-dratsy tsy hifankahitana hifampitoloman’ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 no hifamezivezen’ireo mponina manerana ny kaominina 31 isa, antony mampihitsoka tanteraka ny foto-piveloman’izy ireo. Raha tsiahivina anefa dia anisan’ny tanana mpamokatra jirofo, kafe, lavanila ary dipoavatra ny distrikan’i Vangaindrano. Ny kandida Iababan’i Komando laharana faha-6 natolotry ny Antoko Fanorolahy noho izany no hitan’izy ireo fa afaka hamaly izany hetahetany izany rehefa nitafa sy nidina ifotony teny anivon’ireo Fokontany rehetra. Hanatanteraka faradoboka ao Mahatangy ity kandida iray ity anio Alatsinainy 27 May. Hiantso ireo feno 18 taona rehetra izy mandritra izany mba samy handatsa-bato afaka rahampitso Alarobia 29 May hanatanterahana ny fifidianana.Ny fahantrana no fahavalontsika ka mila mandresy ny kandida fanorolahy Vangaindrano ho an'ny tanindrazana. Mila manova rivotra vaovao isika ka hamboly ary hamokatra ho an' ny tombotsoam-bahoaka eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa mpias'angady, zanatany ary mpanao asa sosialy Iababan’i Komando na i Mpanandihy.
Pati
Legende : Ny kandida Iababan’i Komando sy ny filohan’ny Antoko Fanorolahy Randrianary Jose !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT