Mponin’Avaradrano

Miandrandra Solombavambahoaka sahy ho an’ny Fanovana


  • Talata 14 Mey 2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

hofidiana amin’ny faha-29 mey izao, hoy ireo mponina tao amin’ny Kaominina Anjeva. Vahoaka izay anatin’ny fahasahiranana lalina ankehitriny vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Manana olona efa nitolona hisian’ny fanovana ary vonona hanohy izany, tsy ho mpananga-tanana fotsiny ary tsy voavidy vola ny avy amin’ny Kolekitifa an’ny malagasy, tarihin’ny kandida Hajo Andrianainarivelo eny Avaradrano.
AIZA ILAY HOE SOSIALIM-BAHOAKA E ?
Adino ny tena mahasoa ny vahoaka fa ny mahafinaritra no atao laharam-pahamehana ka isan’ny mahatonga ny Malagasy an-tapitrisany latsaka anaty fahantrana lalina .Tena tsapan'ireo mponina teny Anjeva Gara izany ka niantsoantsoan'izy ireo hoe aoka mba depiote tena hijoro amin'ny heviny hiaro ny tombotsoa iombonana fa tsy mpanara-drenirano fotsiny no hiditra eny amin'ny Antenimierampirenena.Nijanona ho resabe ilay fitsinjovana ny sosialim-bahoaka fa tsy nisy fanatanterahana, dia io fa mitazam-potsiny ihany koa ireo solombavambahoaka maro an’isa izay tokony handon-databatra anefa manoloana izao fahasahiranam-bahoaka izao. Ankehitriny, resy lahatra ny vahoaka fa ilaina ny fanovana fa tsy zaka intsony zava-misy ankehitriny izao.
SAHY SADY VONONA
Niditra tamin’ny andro fahaenina ny fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity. Ho an’ny Kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy eto amin’ny distrikan’Avaradrano, tarihin’ny kandida Hajo Andrianainarivelo, isan’ny nivoitra nandritra ireo fitetezana ny fokontany sy Kaominina izay fa Sahy ny kandida laharana faharoa, vanona ary vonona hitondra ny fanovana hanorenana hampitso tsara kokoa ho an’ny Malagasy, ary atomboka ao amin’ny Distrikan’Avaradrano ny fanovana an’i Madagasikara. Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT