Mpomba ny kandida 11 ao Moramanga

Mitaky ny hialan’ny HCC sy ny CENI


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Nafotaka ny hetsik’ireo mpomba ny kandida miisa 11, notanterahina tany amin’ny distrikan’i Moramanga ny faran’ny herinandro teo.

Teo amin’ny tokontany malalaky ny Magro no nifamotoana izy ireo niaraka tamin’ireo mpomba azy izay tonga marobe tokoa.Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana nentina hisaorana sy niderana an’Andriamanitra ny hetsika. Nitohy tamin’ny fanaovana diabe nitety tanana tao anatin’ny filaminana izany, izay nampihetsi-po ny maro tokoa. Toy ireo faritra rehetra sy ny teto Antananarivo dia ny fitakiana ny fanajana ny lalam-panorenana sy ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara eken’ny rehetra no anton’ny fitakian’izy ireo. Toraka izany ihany koa ny fialan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Narahin’ny mpitarika fanazavana ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao.Nambaran’Atoa Andriamalala Herimanana izay nisolo tena ireo kandida miisa 11 moa fa hitohy ny hetsika ary hihamafy izany. Miandry ny lamina sy ny toromarika avy aty Antananarivo izany izy ireo mha hahatrarana ny tanjona tian-ko kendrena.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT