Mpitsikera Fanjakana mipetraka any an-dafy

Manahirahana mafy ny mpitondra sy ny mpanohana azy


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Modia raha mafy fa tsy any no mitabataba!», «Ianareo eto no tiany ajabaka fa izy mialokaloka any.»,

Tongava aty mitari-tolona fa tsy any no be vava eo!», santionany amin’ireo karazam-panehoan-kevitra fanaon’ireo mpisehatra anaty tambazotran-tserasera avy amin’ny fitondram-panjakàna malagasy sy ireo mpanohana izao fitondràna izao tsikaritra matetika manoloana ireo fanehoan-kevitra ataona olo-malaza an-tambazotran-tserasera mipetraka any an-dafy ireo, indrindra, rehefa mahakasika ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Tsy isalasalana ny milaza fa tena manelingelina ny mpitondra sy ny mpanohana azy ireny karazana sarinteny na «sarcasme» sy ampamoaka ataon’ireo olo-malaza malagasy monina any am-pitan-dranomasina ireo matoa misy ny fanenjehana nahazo ny sasany tamin’izy ireny tahaka izay nahazo an’ilay mpahailalàna, Fanirisoa Ernaivo, farany teo. Tahaka izany ihany koa i Koto Lilahimahitsoambo, Vanessa Manonga,… Isan’ny fanontaniana mipetraka koa nefa etsy ankilany ny hoe mba misy lesona raisin’ilay fitondràna ihany ve amin’ny ranty na «live» ataon’ireny mpitsoka maneno na «influenceur» ireny sa dia ho raisina ho mpanohitra fitondràna ihany koa izy ireny? Tsikaritra ho tsy mahalala firehana afa-tsy mpanohitra sy mpanohana rahateo moa ny ankamaroan’ny mpitondra sy mpanohana fitondràna eto, eny, na ny mpanao politika amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Asa hoe firy isan-jaton’izy ireo no mahay manazava hoe inona no atao hoe hery ankavia na hery ankavanana na hery afovoany sy ny hafa tsy voatanisa? Raisin’ireo mpitondra ho fanakianana be fahatany na fanaratsiana be fahatany ilay fitondràna avokoa ve ny ranty ataon’ireny hoe «influenceurs» malagasy mipetraka any an-dafy ireny sa mba misy mahatonga saina azy sy ekeny ho misy marina ihany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT