Mpitondra tsy misy fanetren-tena

Ny sady zanaka tokony hiala tsiny indray no natonin’ny raiamanandreny


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Nohamarinin’ireo mpiaradia amin’ny fitondràna ankehitriny sy milaza ho mahafantatra azy

manokana ho teny diso tsy mba kabary moa ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro, izay raha fehezina dia hoe tsy manana ny maha izy azy sy mahay toy ny taloha intsony ny Profesora amin’izao fotoana izao. Niteraka resabe izay fehezanteniny tanaty fandaharan’ny fahitalavitra rahavavy iray izay ary nanao fanambaràna ihany koa ny SECES na Sendikan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nanoloana izany voalazan’ity tomponandraiki-panjakàna ity izany fa tohina noho ny nambaran’ity tomponandraiki-panjakàna ity. Nangataka fialàn-tsiny noho izay voalaza moa ny SECES ary nangataka fihaonana manokana tamin’ity tomponandraikitry ny fiadidiana ny repoblika ity ihany koa. Nisy ny fialàn-tsiny nataon’ity farany tamin’ny rindrin’ny tambazotran-tseraserany taorian’izay ary fantatra fa nisy ihany koa ny fihaonan’ny roa tonta niaraka tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa teny anivon’ny fiadidiana ny repoblika mba hisian’izay fialàn-tsiny ampahibemaso izay, raha ny fampitàm-baovao voaray farany. Raha heverina ho isan’ireo sokajiana ho raiamandreny eto amin’ny firenena ireo manam-pahaizana eo anivon’ny SECES dia ny heverina fa sady zanaka sy tokony hiala tsiny indray izany no natonin’ny raiamandreny mba hahafahana namaha ny disadisa noho ity nambara ho teny diso tsy mba kabary ity. Zary hita ho efa lasa kolontsaina eto amin’ny firenena ihany koa ity fahalainana hiala tsiny rehefa avy manome fanafitohinana olona na sehatra iray ity. Vao tsy ela izany no niseho tamin’ny raharaha nampifanolana ny mpanao gazety sy ny antenimierandoholona. Resaka fanambaniana mikasika ny fahaizana na fahatakaran’ilay mpanao gazety koa no nitranga tamin’izay fotoana izay ary farany teo izany dia ireo Profesora mihitsy indray no niharan’ny fampihetrena olona tahaka izany, mba tsy ilazàna zavatra hafa. Izay izany izao no lasa endriky ny fitaizana ny vahoaka malagasy ankehitriny asehon’izao fitondràna izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo tranga niseho miisa 2 farany ireo fotsiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT