Politique

Mpitondra tsy mahavaha delestazy Miala bala sy mampanantenana mandava-taona


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Delestazy tsy nifankahitana teto Antananarivo sy ny manodidina ny sabotsy teo. Nisy ny nanomboka tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro,

hatrany amin’ny 11ora alina mbola tsy niverina. Nihoatra lavitra noho ireo efa nofaritan’ny Jirama. Nilaza moa ny Jirama fa misy fahatapatapahana matetika ny herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny tsy fahafenoin'ny tanjaky ny herinaratra mahery vaika ao Ambohimanambola mitondra herinaratra mamatsy ny tranon-jiro ao Ambodivona, Tana-Ouest, Ambohijatovo, Mandroseza sy Tana-Sud. Nambara tamin’izany fa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka aorian'izany dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana vatsian'ireo tranon-jiro ireo. Maro no efa tsy mino intsony ny fanazavan’ny Jirama. "Ny jirama moa dia manararaotra ny orana sy ny varatra hanaovana delestazy, toy ny banga mihomehy alina.", hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Izy izay efa nilaza herinandro nialohan’io fa efa niova ho DEMATA (Delestazy Mandava-Taona) ny Jirama. Etsy ankilany, mampantena lava ny anjara asan’ny Fanjakana. Efa niaiky ankolaka aloha izany ny Filoha Rajoelina, fa lainga variraraka ny nilazany tamin’ny Propangandy fa hanao 400MW izy mandritra ny 5 taona, efa nilaza ihany koa ny 10 janoary 2022 fa mila miafy kely Antananarivo fa ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Nolazain’ny Minisitry minisitry ny angovo fa aorian’ny fametrahana milona faha-4 na G4 tao Andekaleka. Ankehitriny kosa, milaza fa hatramin’ny 2028 no foana tanteraka. Ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato, nilaza ny Minisitry ny angovo Andry Ramaroson fa ny tahan'ny vahoaka Malagasy hisitraka herinaratra amin'ny taona ho avy dia hahatratra hatrany amin'ny 43% raha toa ka 26% izany hatramin'ny faran'ity taona ity. Mahakasika ny kits solaire dia 20.000 no voazara teto Madagasikara tamin'ny taona 2019 ary ho tafiakatra 220.000 any ho any ny hisitraka izany amin'ity taona ity. Momba ny fampisitrahana herinaratra any amin'ny tontolo ambanivohitra indray dia ho tafiakatra hatrany amin'ny 530 ny kaominina hisitraka herinaratra eto Madagasikara. Mahakasika ny « hydroélectricité » dia ho tafiakatra hatrany amin'ny 652MW ny taham-pamokarana herinaratra eto Madagasikara amin'ny taona 2028. Averimberina foana, fa ny ny tetikasan’ny Filoha teo aloha Rajaonarimpianina no tena herin’ireo dia i Sahofika manodidina ny 200MW sy ny Volobe 120MW.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT