Mpitondra te ho marin-toerana

Mafy amin’ny kajy maloto fa osa ara-pitantanana…


  • Zoma 05 Jolay 2024

Sary efa nampoizina ihany ny fisian’ireo depiote lany tamin’ny tsy miankina, mivadika

ho lasa mpanohana fitondrana. Nisy ireo efa fantampatatra nialoha ihany ny hoe : iretsy volomboasary ihany fa nandeha tsy miankina ka ny mpitondra ihany no nanohana ara-bola, iry volomboasary nahilika tsy nahazo « dossard » dia nandeha mahaleo tena avy tambazana ho ao anatiny sao hanahirana,… fa nisy ihany koa ireo tsy nampoizina hiova loko. Na izany aza, miharihary, fa tsy fahamarinan-toerana tena izy sy araka ny safidim-bahoaka, tsy maro an’isa araka ny lojika sy ny fironam-bahoaka,… no misy eto, fa zavatra namboamboarina niainga tamin’ny kajy politika samihafa niainga tany amin’ny kajy maloto ara-pifidianana. Tanjona ny hananan’ny Fanjakana fahamarinan-toerana ara-politika amin’ny alalan’ny solombavambahoaka maro an’isa. Tsiahivina anefa, fa ny nahatonga ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny desambra 2022 dia noho ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana : kolikoly misavovona, politika ankampobeny tsy mahomby, tsy fanajana ny fisaraham-pahefana, fahapotehan’ny orinasam-panjakana maro, ampihimamba ara-toekarena, tsy fahafehezana ny vidim-piainana, tsy fisian’ny famoronan’isa, tsy fisian’ny finiavana hametraka tontolo malalaka sy ara-dalàna ahafahana mandrahara sy mihary, tsy fahatrarana ny programa momba ny angovo sy famokarana herinaratra,fihitaran’ny tsy fanjarian-tsakafo na kere,… izay hatramin’ny IRD niaiky an’izany. Nahatratra 2 pejy ny fiampangana ny fitondram-panjakana tamin’izany ka 2 taona aty aoriana moa nivaha ve ny olana niampangan’ny depiote ny governemanta ? Moa efa milamina be ve ny fitantanana sy fampandrosoana ny firenena ka mirohotra manohana ny fitondrana ny tsy miankina sa hifampiaro sy hifanarontsarona ary hitsikombakomba amin’ny tsy fahombiazana ka rehefa milamina ny tombotsoa samihafa dia ampy ? Hanapi-maso eo anatrehan’ny olana ara-toekerana sy krizy sosialy mianjady amin’ny Malagasy izany ireo lazaina fa solombavambahoaka izay tokony ho hery matanjaka hanery ny Fanjakana hiasa araka ny maha mpanara-maso ny mpanatanteraka azy ? Betsaka ireo ambana sy ny olana efa mihatra : fiakaran’ny vidin-tsolika, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fananan’asa, fahapotehan’ny làlana, ny delestazy izay vao mainka miha zava-doza, ny tontolon’ny fandraharahana lasibatra amin’ny endriny maro, ny fampianarana ambony ambany,… saingy vitsy izany no tena afaka hiady sy hanery ny fitondrana hijery an’ireny fa ho betsaka kosa ny mpananga-tànana sy mpandray baiko?
Toky R
Sary fanehoana : Ny fananana depiote maro an’isa ao Tsimbazaza no heverin’ny fitondrana fa hahamarin-toerana azy !

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT