Mpitondra sy ny fifidianana kaominaly

«Tsy tena olona manan-kevitra fa olona manam-bola…»


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Azo antoka izany izao, hoy ny antoko politika Fiombonana, fa tokony ho tanteraka ny fifidianana ho atrehintsika

amin’ny 11 desambra satria manam-bola afaka hikarakarana fifidianana ny CENI. Ny vola alaina amin’ireo anto-bola ireo ihany tsinona, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no mety handrasan’ny fitondram-panjakana hanatanterahana ilay fifidianana. Io izany, hoy izy, no hahafahana mamatsy vola ilay CENI izay sahirana ara-bola amin’izao fotoana izao. Vitsy na malaina ny kandida amin’ny fifidianana kaominaly satria tsy tena izay olona manan-kevitra no tian’ny fitondram-panjakana hirotsaka ho eo amin’ny toeran’izany ben’ny tanàna izany fa izay olona manam-bola. Hitantsika ny fanasarotana ny fikarakarana antotan-taratasy. Tsy hiresaka isika afa-tsy ny fakàna ny «état 211bis», ny karatra maha olompirenena na «certificat de nationalité» izay nivalozany ihany taty amin’ny farany satria hitany fa vitsy ny olona nahazo izany teo anivon’ny fitsaràna. 1695 no isan’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Raha andeha ataontsika hoe misy kandida miisa 3 avy izany isaky ny kaominina, «certificat de nationalité» miisa firy izany no avoakan’ny fitsaràna? Ho vitan’ny fitsaràna ao anatin’ny fotoana fohy ve ny hamoaka an’ireo? Izay no mahatonga anay miteny hoe nohasarotina ilay fikarakarana antotan-taratasy, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT