mpanohitra,… fa tsy mahavaha olana
Miaiky ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo Olivier Jean Baptiste fa misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka ny delestazy. Miantraika amin’ny orinasa PMI/PME, na artisans, na orinasa lehibe izay misy ny mandefa fitarainana any amin-dry zareo, fa ny zava-dehibe dia maro ny ezaka atao na fohy ezaka na antonony na lavitr’ezaka, raha ny filazany. « Ao anatin’ny fisainana sy fitondran-tena tony ihany no entintsika mandroso amin’ny fametrahana ireny vahaolana ireny, fa ny fanimbana mety vao mainka hanimba ihany koa an’ilay famokarana ezahana hihatsara », hoy io Minisitra io. Ahoana izany ny momba ny fihariana maro potika ? Miantso ny rehetra ho tony, betsaka ny tetikasa mbola hisy toy ny « hybridation » an’ny angovo amin’ny distrika 120, ny drafi-panajariana. Mila tony sy maharitra kely, fa efa maro ny vahaolana entin’ny Fanjakana hanatsarana ny tontolon’ny angovo. Lazaina fa nisy fahasimbana ny milina sasany, nisy olana andro vitsy lasa ny kalitaon’ny solika,... Hiakatra tsikelikely ny tanjaka ka hitombo ny tolotra omena ny mpanjifa. Halefa ihany koa ireo milina sasany mandeha amin’ny gasoil hanampy amin’ny famokarana herinaratra. Ny Sekretera Jeneraly lefitry ny Fiadidian’ny Repoblika Dina Andriamaholy nilaza fa, eo am-pametrahana ny « parc solaire » tsy latsaky ny 21 MW ny JIRAMA, izay efa nanomboka volana vitsy izao manodidina an’Antananarivo, ka nilazana fa efa atao « réception technique » ny eny Ambatomirahavavy. Raha io tanjaka io dia mifandraika amin’ny « gap » sedraina matetika isan-taona rehefa maintany. Efa nalefa koa ny tolobidy momba ny parc solaire 100 MW hapetraka ao Tsarasaotra,... Lazaina fa anaty tetibolam-panjakana 2025. Ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Mercedes Ratsirahonana milaza fa tsy manamaivana noho ny delestazy saingy mamily ny resaka any amin’ny hoe tena manararoatra ny mpanao politika satria tsy mahavita na inona na inona izy ireo noho izy tsy misy vahoaka manaraka amin’ny korontana katsahiny atao isan’andro. Izao manararoatra ny marary ny vahoaka dia sintomina daholo na faty olona na aretin’olona na jiro tapaka, hoy ny filazany. Adikan’ny Fitondrana ho fanimbana sy fanakorontanana ny fitakiana famahana olana satria izay no kolontsaina napetrany teto tamin’ny 2009, hany ka vao misy fitakiana dia efa sokajiana ho fanonganam-panjakana. Ny vahoaka no tezitra amin’ny delestazy dia ny mpanohitra no henjehina ? Tsy vao omaly sy androany no nanaovana serasera vahaolana, fa tsy nisy fivahan’ny olana mandrak’ity ny androany. Nahoana talohan’ny 2009 nisy ambim-bava ? Izao bokan-trosa an’arivony miliara Ar maro arahina delestazy am-polony ora isan’andro. Izany no fandrosoana ? Raha ireo fampanantenana poakaty nolazain-dRajoelina tao anatin’ny 7 taona fotsiny no tanteraka efa nanana ambim-bava isika !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.