Politique

Mpitondra manana zom-pirenena vahiny


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Mazava fa nametraka ny olony ny Frantsay

Saika mizaka zom-pirenena frantsay na «Nationalité française» avokoa ireo mpiara-miasa akaiky sy manodidina ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina, ary nisy tamin’izy ireny aza ny nampiseho niharihary toa nirehareha tamin’izany mihitsy. Tsy lahy tsy vavy io,raha tsy haka ohatra akaiky indrindra, ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, Patrick Rajoelina, izay notendrena ho isan’ny mpanolontsaina manokany mihitsy ankehitriny. Eo koa, mazava ho azy, ramatoa Mialy Rajoelina, izay vadin’ny filoham-pirenena, ary fomba fiteny moa ny hoe ny vadin’ny filoham-pirenena no mpanolontsainy voalohany. Na hatramin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena aza dia nampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ny nahita sainam-pirenena malagasy nifanila tamin’ny sainam-pirenena frantsay tao amin’ny toerana nandraisany antoko politika iray izay tonga nitondra taratasy fangatahana fitsipahana ny maha filoham-pirenena ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny. Fa nahoana? Mazava aloha izany fa nametraka ny olony ny frantsay ary feheziny hatrany an-tampony ny raharaha. Ny filoha Andry Rajoelina koa tsy nanda ny maha frantsay azy. Ny lojika ary voajanahary amin’ny maha olombelona dia ny zavatra tsara no ihazakazahana samy te hanana na te haka. Mipetraka ny fanontaniana. Inona no mampihazakazaka ny mpanao politika hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena manoloana izao zava-misy heverin’ny maro, indrindra, ny mpanara-baovao ho mampivarahontsana mahazo ny firenena? Azo antoka fa tsy ho mora ny fanarenana ary isan’ny fanehoan-kevitra heno matetika eny am-bavan’ireo mpisehatra politika rahateo ny hoe handimby izay handimby ity filoham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT