MPITONDRA MALAGASY

Tsy vonona hiasa anaty mangarahara mihitsy…


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

ireo ilay raharaha fiara Mercedes Maybach vaovao hita nitondra an’i Andry Rajoelina namonjy lanonana teny amin’ny mariboninahim-pirenena ny alatsinainy lasa teo. Ilay vidiny hoe 1,2 miliara ariary eo ihany, lafo tokoa, ary ekena fa misy tokoa olona eto Madagasikara mahatakatra tsara izany.
TSY EFA IO IHANY VE NO NANENJEHANA AN-DRAVALO ?
Fa filohan’ny repoblika lehibena andrimpanjakana anie i Andry Rajoelina e, tsy misy an’izany hoe fananany manokana io dia tapitra eo ny resaka. Volam-panjakana, volam-bahoaka, vola avy amin’ny hetra aloan’ny mpiasa sy ny orinasa no ampiasain’ireo andrimpanjakana rehetra sy manampahefana ireo. Ny nandrasan’ny mpanara-baovao dia ny hoe : vola avy aiza no nividianana io fiara raitra dia raitra io ? Efa voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana ve io, tetibolam-panjakana oviana ? Volan’i Andry Rajoelina manokana ve io sa volam-panjakana dia nanampy kely ny filoham-pirenena. Ka moa ve tsy izay ihany ilay nanenjehana an’i Marc Ravalomanana sy nitarika ny fandrodanana azy tamin’ilay fiaramanidina Air force One ? Taona 2008 izany, dia aty amin’ny taona 2025 ve isika dia mbola miasa ao anaty manjavozavo ihany ireo manampahefana fa tsy miteny ny marina , tsy mampihatra ny mangarahara. Dia rehefa misy mamoaka ilay vaovao dia lazaina hoe mialona na manakorontana ve ?
MIJOROA HO OHATRA TSARA
Ka raha samy hanao tahaka izay avokoa ve ireo manampahefana ireo dia mbola miaro ihany ny mpomba azy hoe ka praiminisitra na minisitra na depiote izany anie sady manam-bola no olona manan-kaja ka inona no olana raha mividy fiara amina miliara ariary izy , na manana trano mijoalajoala be tena building. Raha firenena tena mandala ny demokrasia, mampihatra ny hoe fitantanana mangarahara dia mila atao fantatry ny besinimaro mazava io fandaniana rehetra atao io.Izany no anton’ny isian’ny tetibolam-panjakana, resaka vola miditra sy vola mivoaka, ohatrinona, oviana, aiza. Misy fanarahamaso tsy maintsy atao fa tsy hoe rehefa manampahefana dia mahazo manao izay tiany amin’ny fotoana rehetra itiavany azy. Raha tena hampihatra ny fitantanana mangaraharaha sy hampanaja ny lalàna dia mila manao ohatra velona amin’izany ny mpitondra fanjakana indrindra fa izany filohan’ny repoblika izany. Ary ny vahoaka ihany koa dia tokony ho saropiaro manoloana ny fampiasana ny volany fa tsy manaiky fandemen-tsaina fotsiny hoe manampahefana ireo ka rariny raha manana zavatra lafo vidy be.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT