Tsy mahagaga intsony ny fitsabahan’ny firenena frantsay amin’ny raharaha tokantranontsika Malagasy, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray.
Ny mahatalanjona fotsiny dia toa tsy misy mpitondra mahefa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ka manao izay tiany hatao ny reny malala. Manaporofo izany ny fanambarana miaro fihantsiana nataon’ny masoivoho frantsay tao amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely izay renivohitry ny firenena Malagasy mikasika ireo Nosy manodidina izay bodoin’ny mpanjanaka taloha tsotra izao hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. Vao haingana teo ihany koa ilay resaka volabe am-polony miliara nahavoatonontonona tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nangina tsy nahitan-teny ny mpitondra fanjakana fa mbola ny avy eo anivon’ny ambasady frantsay indray no nanao fanambarana ofisialy nandiso io vaovao mahoraka be io. Avy eo vao sahy nampiaka-peo ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy sy ny minisi-panjakana sady filoha nasionalin’ny antoko HVM. Midika ho fisian’ny tsikombakomba avo lenta eo amin’ny mpitondra fanjakana Malagasy sy ny mpitantana ny firenena frantsay ireo santionan’ny trangan-javatra roa ireo, hoy i Gaby Vakiniadiana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.