Politique

Mpitondra Malagasy Mihambo ho tan-dalŕna kanefa…


  • Talata 27 Oktobra 2015

Tsy mandainga ary tan-dalŕna ny mpitondra fanjakana Malagasy, hoy ny valintenin’ny minisi-panjakana misahana ny Tetikasan’ny Fiadidiana ny Repoblika momba ny raharaha Andohatapenaka

 

 

. Tsy mangalatra tanin’olona izany ny fanjakana. Azo atao kosa ny mandray didim-panjakana raha ilaina amin’ny tombontsoan’ny daholobe ny tany saingy tsy maintsy honerana ny vidin’izany, araka ny fanampim-panazavany. Miandry ny porofo manamarina io fanambaran’ingahy minisitra io rahateo ny vahoaka Malagasy. Mbola mavesa-danja amin’ny valala tsy mandady harona aloha hatreto ny fampanantenana tsy mbola tontosan’ny manampahefana toy ny fampidirana mpianatra an-tsekoly tsy andoavam-bola, ny fanafoanana ny delestazy. Atao mifanaraka amin’izay mahamety ny mpitondra mahefa ihany koa ireo karazana lalàna velona eto amin’ny firenena raha tsy ilaza afa tsy ny fanendrena ny praiminisitra na koa ny tsy fanatanterahan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny fanambaram-pananana takian’ny Lalàmpanorenana. Manginy fotsiny ny fifandraisana marisarisa eo amin’ny samy andrim-panjakana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Sahirana ara-bola ihany koa ny filoham-pirenena sy ny governemanta. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ary miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny ampahany maro an’isa amin’ny vahoaka Malagasy.  

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT