Mpitondra lian’ady, tsy leo fahafaham-baraka

Depiote IRD nihantsy Prefe imasom-bahoaka


  • Zoma 01 Martsa 2024

Mitohy ny fifanasana vangy na vava tsy ambina ataon’ireo olon’ny volomboasary

mialohan’ny fifidianana solombavambahoaka. Taorian’ny tany Fianarantsoa, tany Mahajanga II indray no niseho imasom-bahoaka ny fihetsika amam-piteny manala baraka ny antoko sy ny loko politikan’ny Filoha am-perin’asa. « Amin’ny 29 may, depiote hilatsaka solombavambahoaka avokoa, depiote efa hainao e ! Jaolahy ! Mitodika manokana aminao Lehiben’ny distrika, eto isika mirahalahy mifankahita androany, esory io « tenue » maha administratera anao dia milatsaha ianao mifaninana amiko fa aza mihatsaravelatsihy eto ! Mpianatra jiaby ambanimbanianao, minisitry ny fampianarana tonga ao Mahajanga ianao tsy manatrika ianao ao Mahajanga. Aza mihatsaravelatsihy eto aminay eto ianao, izaho tsy matahotra anao, matoa izaho niteny tany hoe : tsy mety intsony ny fiarahanay miasa. Esory io, alohako koa ny caution-nao 20 tapitrisa Ar, ary ataovy « suppléant-nao » i Orlando fa izaho tsy matahotra anareo », hoy ny Depiote IRD voafidy tao Mahajanga II sady mpandrindra ny TGV Boeny Atoa Rasalama Léon nandritra ny kabary imasom-bahoaka tao Ambovomandresy, nanebaka sy nanondrotondro ny Prefe sady Lehiben’ny distrika Atoa Nicolas Rabenandrasana. Asa hoe : inona no lonilonin’ny roa tonta satria tsy vao sambany io ? «Mety efa te hamono ahy no hevitr’ity solombavambahoaka ity. Tsy vitan’iny tamin’ny 26 jona 2023 iny fa mbola nanao ihany koa omaly. Angamba raha tsy nitondra polisy aho mety efa nokapohiny », hoy ny Lehiben’ny distrika sady Prefen’i Mahajanga II Atoa Nicolas Rabenandrasana. Raha hiverenana, tamin’ny 26 jona 2023 no efa nifanebaka imasom-bahoaka, ka rehefa nandray fitenenana ny Prefe namarana ny lanonana fandraisam-pitenenana, ka nisosoka avy hatrany ny depiote nilaza fa ity fetim-pirenena fa tsy fetin’ny Prefe na fetin’ny dadany na fetin’ny mamany. Nandao ny lapihazo ny Prefe sy ireo niara-dia taminy, raha toa nikabary ny depiote nilaza fa nanao ratsy matoa tsy tafajanona, ary naka 5 tapitriasa Ar tamin’ny volan’ny CLD, nanao kolikoly ka tsy mendrika azy intsony ny toerana. Ny vy tsy mikitrana irery fa na izany aza tena manahy vary imasom-bahoaka, araka ilay fomba fiteny. Fandrosoana inona no ho vanona ao anaty fifanenjehan’ny samy manam-pahefana ?
LIAN’ADY, TSY TAN-DALANA, …
Tsy finiavana hanakiana, fa maro ireo toetra amam-pihetsika hafahafa nataona depiote IRD tao anatin’ity taom-piasana ity, toy ny depiote milako ben’ny tanàna, mangarona olona polisy monisipaly, mampiasa anarana andrim-panjakana amin’ny fitaterana harem-pirenena, ahiana hanao trafikana volamena eny amin’ny seranam-piaramanidina dia miverin-dàlana, namporisika fitsaram-bahoaka, mitarika andian’olona mandroba sy mihetraketraka, mifanasa vangy imasom-bahoaka, manangan’ady amin’ny olom-panjakana,… Tsy fahazakana fahefana sa fanehoana an’ilay hoe : izahay aloha izao no eto ? Sao mba ny ady ho an’ny tombotsoam-bahoaka no tokony himasoana kokoa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT