Mpitondra lany amin’ny hosoka

Mahatonga fitondrana mpangalatra


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Ny mpitondra lany amin’ny hosoka sy fampiasam-bola mihoam-pampana no mahatonga fitondrana mpangalatra ka

 antony hitenenanay hoe diovy aloha ny fifidianana, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Frantsa, Fanirisoa Ernaivo. Izy moa izay filohan’ny Sendikan’ny mpitsara malagasy na SMM teo aloha. Fara faha keliny, tao anatin’ny 3 taona izao, dia mpandinika raharaham-pirenena sy mpisehatra ara-politika maro no nitondra fanazavana tsy dia mifanalafitra amin’ity famehezan’i Fanirisoa Ernaivo azy ity. Ny kandida ho filoham-pirenena, Tahiana Razafinjoelina, izao dia nanome ohatra fa tsy misy hanome 75 miliara Ariary ho anao an-tsitrapo hividianana T Shirt izany. Misy tambiny maharitra io, hoy izy. T Shirt iray metimety mety atao hoe 15.000 Ariary dia ampitomboy mpifidy 5 tapitrisa. Raha ianao koa ve no manana 75 miliara Ariary dia ho ataonao T Shirt fotsiny, hoy hatrany ny fanazavany? Mifandroy amin’izany koa ny fanazavan’ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison, izay mpahaimatematika toy ny voalaza teo alohany teo ihany koa. Raha nanaiky ilay 200 miliara Fmg na 50 miliara Ariary nomena ahy talohan'ny fifidianana filoham-pirenena aho, hoy i Laza Razafiarison, tamin’ny fotoan’andro dia efa lany soamantsara saingy nolaviko ilay izy satria tsy ahafahako mitondra fampandrosoana. Volamena 1 taonina isam-bolana moa no takalony notakiana tamiko tamin’izay, hoy izy, ka aza gaga ianareo raha mahita hoe 14 taonina isan-taona eo ny volamena mivoaka eto hatramin'ny 2013 noho mankaty. Izaho kosa nisafidy ny fonja. Izay no vokany satria aleoko migadra vatana toy izay migadra saina. Toy izao izany anaty fonja eto Madagasikara izany raha mbola tsy nahita. Potika nanomboka teo ny fihariako fa tsy kivy aho fa tsy maintsy avotantsika ny firenena fa eo ianareo tena namana nanarina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT