Politique

Mpitondra fanjakana tsy mihaino vahoaka “Ho mora amin’ny malagasy ny hitsara azy”


  • Talata 28 Febroary 2023

Tsapa ankehitriny fa toa tsy mihaino, manentsi-tadiny ny mpitondra fanjakana, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina,

eny fa na dia misy aza ny minisitera mpiahy sy tomponandraikitra tsy mandry andro, tsy mandry alina manao izay ho afany hanaitra ny mpitondra fanjakana ambony. Mila fitandremana noho izany ny fomba fitakiana. Tsy ny hevitra akory no tsy misy fa nisafidy ny SECES, indrindra, sampana Antananarivo, ny hifampiresaka, ny hitaky am-pilaminana sy haino aman-jery aloha. Raha sanatria moa tsy handray andraikitra ny fanjakana izay fantatra fa handalo fitsaram-bahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana amin’ity taona ity dia heverinay fa ho mora amin’ny vahoaka malagasy ny hitsara ireo raha toa ka mbola miheritreritra hirotsaka ho fidiana ny mpitondra fanjakana tsy mihaino ny vahoaka ao aminy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT