Politique

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

 

 

 hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika ABA na antokom-bahoaka malagasy, Dany Rakotoson, no nandanian’izy ireo ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Be dia be ny lalàna tsy niasa teto. Mety misy antony ny tsy nampiasana sy nanovana azy ireny ka noho izany dia azon’ny depioten’ny Tiako I Madagasikara natao ny nijanona sy niady hevitra, hoy izy, satria tompon’andraikitra amin’ny hoavin’i Madagasikara isika mianakavy. Tompon’antoka 100% amin’ny zava-misy eo amin’ny firenena koa ny mpitondra ary izay no antony hahaizana mifidy rehefa tonga ny fifidianana mba tsy hahazo depiote mivilana. Manana maro an’isa ao amin’ny parlemantera ny fitondram-panjakana ka averiko indray fa tomponandraikitra hampandroso antsika izy. Rehefa tsy tsapany izay dia ho hitany eo ny hahazo azy afaka 5 taona, hoy hatrany ity mpanao politika ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT