Mpitondra efa tsy mety tonga saina

Voaviravira ny sosialim-bahoaka


  • Zoma 22 Martsa 2024

Efa tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny olona maro eto Madagaskara amin’izao fotoana,

mety hoe ireo 1% sokajiana ho manan-katao sy mpanefoefo ihany angamba no tsy velon-taraina isan’andro. Fa ny ankoatra an’izay efa tena fefiky ny fahasahiranana , misy ireo tena fdiranovana, tazana ho mitombo isa isan-kerinandro ireo olona lasa mpangataka, na kely na lehibe eny an-dalana eny sy mitety mpivarotra. Tena tsy misy arapaka, tsy manana fanantenana intsony hoe mbola ho tafarina fa mangataka fitserana sisa. Any anaty fiarahamonina , eny amin’ny fokontany sy ny vohitra eny, dia hita amin’ny zavatra vidian’ny olona rehefa miantsena fa tena kely ny vola am-pelatanana. Na miasa tena , na mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia mila tsy ahatody volana ny vola raisina. Eny anivon’ireo epicerie no ahitana fa maro ny karnie fanoratana trosa amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro tahaka ny vary, siramamy, sira, menaka, labozia, paty, katsaka, voamaina…Raha manontany kely fotsiny ireo sefo fokontany ny mpitondra fanjakana foibe, ao anatin’ny 5 minisitra dia mahazo tatitra mazava tsara fa mahantra ny 90% n’ny Malagasy. Ny ilain’ireo voalohany aloha dia asa, vola, sakafo, fitsaboana, fandriampahalemana, fahafahana mampiana-janaka . Izay aloha no tena laharampahamehana amin’ireo fa tsy any amin’ny hoe teleferika, autoroute. Na ambanivolo, na ambony vohitra dia mitovy io filana fototra io ho an’ny maro an’isa eto amin’ny firenena. Fa ny fahitana ny zava-misy sy ny fihetsiky ny manampahefana, mpitondra fanjakana dia tsy mivaky loha firy amin’ny marary ny maro an’isa izy ireo. Fa raha nahafantatra dia efa 10 taona lasa no natao laharampahamehana ny sosialim-bahoaka fa tsy aty amin’ny taona 2024 vao hoe hijery ny vahoaka ; fa inona fotsiny izany no natao hatramin’izay sa manakaiky ilay fifidianana solombavambahoaka dia averimberina resahana foana indray ireo vahoaka izay efa nofitapitahana isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT