Politique

Mpitondra bajaj natao fitaovana politika Mbola tsy azo ny nampanantenaina hatramin’izao


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Tsy mbola nomena an'ilay mpamily bajaj voasaritaka tao Sambava ny 23 martsa lasa teo ilay tuc tuc

nampanantenaina azy, nandritra ny dian’ny Filoha Rajoelina tany an-toerana ny 13 aprily teo, raha ny vaovao azo omaly. « Miasa saina io mpitondra « tuc tuc » io satria efa tsy àry niala nipetraka eo amin’ny varavarana biraon’ny faritra isan’andro manomboka amin’ny7ora maraina, dia misakafo kely avy eo miverina ihany koa ny atoandro hatramin ny 5ora hariva nanomboka zoma, alatsinainy, ary androany talata», hoy ny loharanom-baovao avy any Sambava. Voalaza anefa fa efa niala tsy niasa tamin’ilay Bajaj taloha satria nanantena ny tonga dia hahazo ilay Bajaj vaovao. Ny resaka re dia hoe : fa nasaina nisafidy izy, ka ny re dia hoe : mbola holokoina volomboasary, fa tsy ilay mavo lokon’ny « tuc tuc » hatrany am-piandohana. Malaza fa hoe : misy ny toromarika "tsy maintsy lokoina amin’ny lokontsika izay zavatra rehetra ometsika na ataontsika", ka antony mbola hampiandrasana ity olona toa nentina natao fitaovana ara-politika ity. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe : afaka mandoko io fitaovam-pitaterana io amin’izay tiany ve ny rehetra fa tsy misy loko iraisana dia ny mavo? Miharihary fa ny kajy politika no mahamaika, ka tiana hosalorana volomboasary izao rehetra izao. Hatrany am-piandohana no efa nampiady hevitra ny fihetsiky ny Fanjakana niainga tany amin’ny Filoham-pirenena. Voalohany ilay nanomezana baiko ny hanenjehana izay nikasi-tànana ilay mpitondra bajaj, ka nanagadrana olona 2 na efa nifandamina aza ny tao an-toerana. Nentina nakana doka, dia izy indray no nanome baiko ny fitsarana hoe: avoahy ireo olona mba ho mariky ny firaisam-pirenena. Azo natao ny tsy nanagadra azy ireo taorian’ny fifandaminana, fa noho ny baikon’ny Filoha dia nohidiana, ary mbola baiko ihany koa ny namoahana. Izany ve tsy famiravirana ny fitsarana? Angaha tsy olona efa voatsara no mahazo fanenan-tsazy na famotsoran-keloka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT