Nivoaka ny didin'ny Fanjakana Malagasy
tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny atitany mandrara ny fahafahana mivoaka ny sisin-tanin'i Madagasikara na IST (Interdiction de Sortie du Territoire) ho an-dRtoa Marie Michelle Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha sy Rtoa Rinah Rakotomanga, Talen’ny Serasera teo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika teo aloha, Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Air Madagascar teo aloha, tompon'andraikitra tany amin'ny masoivohontsika tany Chine,... Voalaza fa tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana manokana mikasika ny raharaha ara-pitantanana sy ara-bola nandritra ny Fitondrana Rajoelina ity fepetra ity. Mandeha ny resaka fa efa tafaporirsaka an'i Madagasikara Rtoa Rinah Rakotomanga izay tompon'andraikitra ambony voarohirohy sy voatonontonona tamin'ny afera goavana mikasika raharaham-panjakana toy ny resaka SMMC mombana tsenambaro-panjakana tao amin'ny Seranantsambon'i Toamasina, ny raharaha Air Madagascar nifandraika tamin'ny fitantanana niteraka nakany amin'ny fahafatesan'io Kaompania an'habakabaka Malagasy io, ny fitantanana tao amin'ny Madagascar Airlines izay nifandonan'izy sy ilay Tale Jeneraly vazaha Thierry de Bailleul,... Tsy nisy aloha hatry ny omaly ny fanamarinana na tsia ny tsy maha eto intsony an'i Rinah Rakotomanga. Andaniny, mbola eto Madagasikara ary milaza fa tsy mieritreritra ny hiala eto Rtoa Marie Michelle Sahondrarimalala. Nanao fifamindram-pahefana tamin'ny Minisitry ny fanabeazana vaovao omaly. Namaly ny resaka IST ho azy. "Hatramin'ny niantombohan'ny hetsika dia niezaka nijoro, naneho hevitra,... Zava-dehibe ny maha samy Malagasy, ary tsy manana heritrereritra ny hivoaka an'i Madagasikara aho satria eto ny tranontsika ary eto ny fianankaviana ka miezaka hatrany hijoro am-panetren-tena, am-pahatsorana, ary am-pitiavana, indrindra ho an'ny hevitra, fanehoan-kevitra, izay nijoroana hatrizay", hoy i Sahondrarimalala Marie Michelle. Hiverina ho depiote ao anatin'ny fahefana mpanao lalana raha ny firesany. Asa hanao ahoana izany ny raharaha momba ireo olona ambony maro. Izy ireo ihany ve no voarohirohy amina afera goavana ka namoahana IST ? Nadio ve ny fitantanana tany amin’ireo Minisitera samihafa ? Nahoana no mbola misy tafaporitsaka ireo ahiana sy heverina ho manana raharaha goavana ? Resaka ahiana kolikoly sa tafiditra ao anatin’ny fanahiana fanohintohinana ny filaminana anatiny toa ny fisavana natao tamin-dry Augustin Andriamananoro, Lanto Rakotomanga, Dina Andriamaholy,… ?
SAMIHAFA NY FANENJEHANA POLITIKA SY ADY AMIN’NY TSY MATY MANOTA !
Tsy mahasoa ny fifamaliana faty politika lava, saingy tsy midika ihany koa fa tokony ho afa-maina ireo nanao ny tsy nety sy nambotry Firenena. Zary lasa voizina sy fiarovan-tenan'ireo olon'ny Fitondrana Rajoelina ny hoe: fanenjehana politika, valifaty politika,... hanarotsaronana ireo afera maloto goavana. Tsy mitovy ny fanenjehana ireo ahiana ho nanao kolikoly goavana tao anaty Fitondrana Rajoelina sy ny fandetehana sy fanagadrana olona ankitsirano toy ny tamin'ny fitondran-dRajoelina. Lokon'akanjo aza nisamborana sy nanagadrana olona, ry Ninie Doniah tsy namelana raha tsy maty tany am-ponja noho ny fiarovany ny tanim-bahoaka,… fa ry Lanto Rakotomanga nampiasa ny fahefany tamin'ny fangaronana harem-pirenena nojerem-potsiny, ry Romy Randrianarisoa voasambotry ny Britanika tamin'ny kolikoly avo lenta nodiana adala, ireo Minisitra teo aloha voasaringotra tamin'ny afera goavana natao depiote mba hiarovana azy,... Midika ve fa voafafan’ny famadihana palitao sy fiovana loko ara-politika ireo mety ho afera sy heloka samihafa ? Ahoana ny momba ireo dosien’ireo olona ambony eny amin’ny HCJ nikatso an-taonany maro ? Dosie goavana maro no mety mbola hifoha ato ho ato…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.