Mpitarika sahy sy mahiran-tsaina

Tsiriritina eto amin’ny firenena


  • Talata 18 Febroary 2025

Azo lazaina ho tsiriritina eto amin’ny firenena malagasy, eny, Afrika iraimanontolo mihitsy amin’izao

fotoana izao ny hanana mpitarika na «leader» sahy sy mahitran-tsaina. Tsy ny fanehoan-kevitra samihafa hita eny amin’ny tambazotram-pifandraisana samihafa eto amin’izao tontolo izao ihany no hahatarafana ny filàna izany fa na ireo tranga iraisampirenena tato ho ato toy ny lesona nomen’ny filoha amerikanina, Donald Trump, ireo mpitondra aty Afrika, izay raha fintinina dia milaza mazava fa tsy alehany ny mpitarika na mpitondra aty Afrika. Variana manao ampihimamba ny harem-pirenena tokony ho an’ireo vahoakany. Hananan’i Afrika avokoa na volamena na vatosoa na andramena na harena an-dranomasina na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany kanefa dia izy ireo indray no mangataka any amin’ireo firenen-kafa tokony hangataka aminy tahaka an’i Etazonia. Inona tokoa moa no tokony hahaory na hampahantra indrindra an’izany Madagasikara izany eto ambonin’ny tany kanefa hananany avokoa izany karazana harena voajanahary rehetra izany? Mbola tsy mila mitanisa ireo harena tokony ho antsika any amin’ireo nosy manodidina, izay nambaran’ny antoko politika Otrikafo fa tokony hanodidina ny 260 isa eo akory aza ao anatin’izany rehetra izany. Thomas Sankarà tao Burkina Faso, Mahatma Ghandi tao Inde, Richard Ratsimandrava sy ny Vatoekany teto Madagasikara. Mety mbola hisy hahavita be noho ity farany ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT