Politique

Mpitandro filaminana manao politika Notsikerain’ny depiote manokana ny zandary


  • Zoma 24 Martsa 2023

Fanosihosena ny hasina maha solombavambahoaka no nihatra taminay nandritry ny hetsika nataon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara na TIM farany teo, hoy ny depiote Feno Ralambomanana.

Fantatr’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana izao fa solombavambahoaka no nanoloana azy ireo, hoy izy, nefa dia sahiny ny niteny fa tsy raharahany izany. Ho hitantsika eo fa tany tan-dalàna I Madagasikara. Tsy androany ihany ireo no mitondra ary efa mandeha ny dingana mifanaraka amin’ny lalàna nalefanay eny anivon’ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany izy. Isan’ny nanatrika izany tsy fanajana sy tsy fanomezana hasina solombavambahoaka izany ny tenako, hoy ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, nanampy. Tiako ny mampahatsiahy ny voasoratra ao anatin’ny karatra maha matihanina anay, amin’ny maha filohan’ny vondrona parlemantera TIM ahy, hoy izy, manao hoe “didiana ny manam-pahefana sivily sy miaramila hamela malalaka ny tompon’ity karatra ity handeha na aiza na aiza ka hanohana azy sy hifarimbona aminy ka hampiasa hery raha ilaina!”. Tsy misy milaza mihitsy ato hoe fampiasan-kery amina solombavambahoaka. Hamafisiko fa ny tranga tamin’iny fotoana iny izay efa nanaovan’ny filoha Ravalomanana antso sy fanamarihana ho an’ilay zandary izay notononiny ny anarany satria dia toy ny manao politika ny mpitandro filaminana, indrindra, eo anivon’ny zandary. Fa maninona tsy nanao ireny fihetsika ireny ny vondrona avy ao amin’ny tafika sy polisim-pirenena izay samy teo? Tsy nanaiky ny nanakatonana ny vavahady ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany fahatelo fa zon’ny mpitandro filaminana avy aiza no manome fahafahana mpitandro filaminana hanakatona vavahadin’olona? Noraisina tamin’ny vozon’akanjo sy nanaovana vava ilay solombavambahoaka. Tsy azo ekena izany, hoy hatrany ny filohan’ny parlemantera TIM!
J. Mirija
Legende: Ireo depiote nahatsiaro ho lasibatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT