Mpitandro filaminana any amin’ny faritra

Miezaka mampiseho fiasa filamatra handrindràna ny tolona


  • Alakamisy 02 Oktobra 2025

Mitohy miezaka mampiseho fiasa filamatra

handrindràna ny tolona, raha izay no azo amintinana azy, ireo mpitandro filaminana any amin’ny faritra, raha ny angom-baovao voaray omaly indray. Isan’ny efa nahalalana ny tao Fianarantsoa tao anatin’izay 4 andro izay io fandrindràna na «encadrement» ataon’izy ireo amin’ny mpitolona ao an-toerana io. Azo lazaina ho nahazo tehaka tamin’ireo mpanara-baovao ihany koa omaly ireo mpitandro filaminana ao Antsiranana satria na dia vahoaka marobe aza no nirohitra teny an-dalambe nanohy ny fitakian’izy ireo manoloana ny heverina fa tsy fihetezan-draharaha maro eto amin’ity firenena ity dia voatandron’ireo mpitandro filaminana tsara ny tsy nampibirioka izany, raha ny angom-baovao voaray ihany. Ny tao Mahajanga moa dia nanampy ireo mpitolona izay reraka an-dalana mihitsy ireo mpitandro filaminana ary nampiakatra azy ireo tambonin’ny fiara. Mpitandro filaminana efa tonga saina amin’ny hoe izany tokoa no atao hoe filaminana voatandro ve izany ireo any amin’ny faritany sasany ivelan’Antananarivo ireo? Inona izany no maha sarotra be ny manao toy izany ho an’ireo lazaina fa mpitandro filaminana eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity? Ny midaroka ireo vahoaka tsy mitaky afa-tsy ny zony hisitraka rano sy herinaratra, famongorana ireo karazana kolikoly eto amin’ity firenena ity, indrindra, ny fampanjakàna ny fandriampahalemana sy ny toy izany rehetra amin’ny baomba manjatsa-dranomaso ve izany no antsoina hoe fandriampahalemana ho an’ireo antsoina hoe mpitandro filaminana eto Antananarivo renivohitra? Ny mitifitra ireo vahoaka tsy mangalatra na mamono olona fa manao fitakiana sosialy ve izany no antsoina hoe fitandroana filaminana eto Antananarivo renivohitra?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT