Politique

Mpisolovava an’i Mbola Rajaonah “Aza itarina amin’ny vady aman-janany ny politika”


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Niatrika ny fanaovana savahao ny tranon’Atoa Mbola Rajaonah ny mpisolovava azy Atoa Eric Rafidison omaly, rehefa iantso ny vadin’io mpandraharaha izay nogadrain’ny Fanjakana any Imerintsiatosika io,

fa nisy zandary vitsivitsy tonga hanao savahao na “pérquisition” ny tranony. Taratasy navoakan’ny Fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo no nasehon’ny zandary, ka voarakitra tao anatin’izany fa ahiahiana ho manohintohina ny filaminana anatin’ny Fanjakana na “Atteinte à la sureté” de l’Etat” Atoa Mbola Rajaonah, anton’ny fisavana ny tranony androany, hoy ny mpisolovava azy ny Maître Eric Rafidison omaly. Nosavaina daholo na ny tranon’Atoa Mbola Rajaonah na ny tranon’ireo olona mpanofa trano rehetra, tao anatin’ny adin’ny efatra teo ho eo, fa tsy nahitana na inona na inona nandritra izany, raha ny fanazavan’ny mpisolovava hatrany. “Raha tsy diso ny fitadidiako dia in-telo no nisy fisavana tahaka izao tato anatin’ireto trano an’Atoa Mbola Rajaonah ireto sy ny mpanofa. Tsy nahitana na inona na inona foana hatramin’izay, ka ohatran’ny hitako hoe: toa efa lasa “acharnement” na fampihorohoroana loatra ilay zavatra mitranga satria ilay zanak’ilay olona aza rehefa tonga tahaka io ny fisavana dia afenina mihitsy satria tena “traumatisé” ilay zaza, ary heveriko hoe: izay disadisa politika any aleo mba mijanona any amin’ny politika fa tsy atao miitatra aty amin’ny vady aman-janaka sahala amin’izao”, hoy hatrany ny mpisolovava Maître Eric Rafidison. Raha nanontaniana momba ny tohin’ny fanamelohana an’Atoa Mbola Rajaonah tamin’ny volana may 2022 teo kosa ny mpisolovava dia naneho, fa any amin’ny fitsarana mpandrava didy ny fampiakarana, ka mamita mamita sazy Atoa Mbola Rajaonah hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT