Politique

Mpisehatra politika sy OIF Niresaka momba ny governemanta iraisana


  • Alarobia 14 Jona 2023

Niantso ireo mpisehatra politika eto Madagasikara ny teo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny tany miteny

frantsay na OIF omaly. Nifanakalo hevitra sy nitady vahaolana mikasika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena no natao, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fitiavana tanin-janaka eto Madagasikara na FTM, izay isan’ny voaasa tamin’ity dinika ity. Voaresaka indrindra ny mikasika ny fifidianana sy ny tsy fandriampahalemana misy eto, hoy ny tatitra. Voaresaka koa ny mikasika ireo rafitra hikarakara fifidianana toy ny CENI sy HCC. Novoizin’ireo mpizaika ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo andrim-panjakana voalaza teo ireo. Teo ihany koa ny fijerena manokana ny governemanta iraisana entina hikarakara fifidianana. Vondrona politika maro no voahasa ka isan’ny hita teny an-toerana ny C’est lera, RMDM, Panorama, RNR, izay ahitana antoko politika maro ihany koa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT