Politique

Mpino Loterana Tsy hanohana Mapar intsony


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Mifanome teny fa tsy misy hanohana ny antoko Mapar intsony ny mpino loterana eto amin’ny sinodam-paritanin’Antananarivo mandritra ny fifidianana loholon’i Madagasikara izay hatao ny talata 29 desambra izao

 

. Mety hiitatra  hatrany amin’ny sinodam-paritany hafa ihany koa io teny miampita amin’ny  samy krisitianina loterana io. Ny antony dia noho ny fitarihan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara iray avy ao amin’ny vondrona Mapar ny fanakorontanana sy ny fitsivalanana ataon’antokon’olona  amin’ny fanorenana ny  fiangonana loterana eny Androhibe eo amin’ny tany izay nomen’ny fanjakana ny fiangonana. « Ny fihetsik’io Solombavambahoaka io izay mijoro  ho mpanohitra ny  fanorenana  ny  tranon’Andriamanitra amin’ny toerana izay  natolotra ny fiangonana sy ireo  karazana fanaratsiana isan-karazany atao amin’ny  raiamandreny  mpitandrina miahy azy dia ampy ahafantaranay  fa tsy  hiara-kiasa  amin’ny fampiroboroboana ny fitoriana ny filazantsara ny olom-panjakana toy izany. Ny  fahanginan’ny antokony dia midika aminay  loterana fa momba sy manohana  ny hevitr’io Solombavambahoaka io ny  fikambanana Mapar », hoy ny fanazavana nomen’ny Loholona iray eo anivon’ny fiangonana loterana. Miato moa  ankehitriny ny fanamboarana ny fiangonana  eny Androhibe noho ny fanapahan-kevitra navoakan’ny  distrikan’Antananarivo Renivohitra  na dia  nahazoana  alalana  mazava tamin’ny antanatoha-pahefana rehetra aza ny fanorenana ny tempolin’Andriamanitra. Ny fiangonana Androhibe Finoana izay  vao nanavao ny birao  mpitantana azy omaly  dia mametraka  hatrany ny raharaha  eo am-pelatanan’ny  fanjakana.

Andry Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT