Mpikatroka TIM sasany eny Avaradrano

« Tsy ankasitrahanay ny kandida natolotra »


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Mafampana ny adihevitra politika momba ny fiatrehana fifidianana, indrindra fa ny fanolorana kandida.

Na any amin’ny fitondrana na any amin’ny fanoherana dia tsikaritra ny fisian’izany. Taorian’ny fivoahan’ny ampahana lisitry ny kandida ho an’ny vovonana iray anatin’ny fanoherana, dia mandeha ny karazana fanambarana indrindra eo anatrehan’ny fisian’ny depiote teo aloha tsy voasafidy ho kandidan’ny vovonana sy ny antoko nihaviany. Raikitra ihany koa ny fimenomenonan'ny mpikambana sasany eny ifotony (base) ho an’ny TIM Avaradrano. «Tsy tokony ho ny ben'ny tanàna am-perinasa an'i Sabotsy Namehana no notendrena hitarika ny lisitry ny vovona Firaisankina ao Avaradrano. Ny depiote TIM voafidy ankehitriny teto Avaradrano no heverinay fa mety amin'izany toerana izany satria tiam-bahoaka izy ary manaporofo izany ny nahalany azy in-droa nisesy ho solombavambahoaka. Voky traikefa izy ; efa hainay tsara ny fomba fiasany fa tena solotenanay any amin'ny rafitra ambony rehetra izy ary mihaino anay", hoy ireo mpikatroka ssany. Milaza izy ireo fa ny depiote Gerry Randriambolaina dia TIM hatramin'izay ka hatramin'izao ary nitolona hatrany, tao anatin'ireny hetsiky ny "73 députés" ireny, nandray anjara tamin'ny miara-manonja sy ny fanoherana ny amboletra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nilaza ireo mpikatroka eny ifotony nanao fanambarana, fa zava-dehibe ny fihainoana ny "base" ; ny tsy fanajana izany dia miteraka fisaraham-bazana ka manimba ny antoko, ary mety hiteraka fahalainan’ny mpifidy. Efa ireny ny fanapahan-kevitra noraisin’ny antoko izay misy rafitra mitantana sy mandrindra aty ambony andaniny ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Handeha mahaleo tena ve ny depiote am-perin’asa ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT