Politique

Mpikaroka momba ny mponina_Faritra SADC


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Fifidianana ihany, mamotika firenena ny tetezamita”

Efa nivoaka ofisialy ny didim-panjakana manaika ny mpifidy hifidy Filoham-pirenena amin’ny 9 novambra ho avy izao. Nitondra famporisihana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’izany ny solontenan’ny Fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC, na ny «Représentant de l'union pour l'étude de la population africaine dans la région SADC “, Atoa Ndremitsara Tarzan. Aminy, tsy fotoana hanaovana tetezamita intsony izao, fa fotoana hirosoana amin’ny fifidianana ara-demokratika, ka ireo mpanao politika sy ireo karazam-pikambanana samihafa mihitsy no tokony ho efa ao anatin’ny fanentanana ny olony mba handray anjara mavitrika amin’io fifidianana io. “Raha izao rivotra politika misy eto izao, dia ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no azo antoka fa hampisy fitoniana eto Madagasikara. Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena maro amin’ny fifidianana mantsy no mariky ny demokrasia sy mahamarin-toerana an’izay mpitondra ho lany eo”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa raha te hahita fitoniana sy filaminana isika, dia ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana, ary tsy misy hafa tsy izay. Ankoatra izay, nitondra fanentanana sy fisaorana ny mpitandro filaminana amin’ny fijoroan’izy ireo sy ny fanehoany fa hiaro ny fandriampahalemana sy fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ity solontenan’ny fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC ity. Nanatitrantitra noho izany ny tenany, fa tsy ilaina intsony ny korontana fa ny fifidianana ihany no vahaolana farany. “Ho betsaka indray ny voka-dratsy rahatoa ka mihemotra io daty efa napetraka io. Raha sanatria ka izay hitranga, dia azo antoka fa ho velona daholo indray ireo antoko politika tsy nanao na inona na inona teto amin’ ny Firenena. Ireo mpanao politika mpivarotra tanindrazana ireo indray avy eo no hiady sisika hahazo toerana fotsiny. Aleo handeha ny fifidianana, madio, mangaraharaha, mahaleo tena ary eken’ ny rehetra”, hoy hatrany I Ndremitsara Tarzan.
Ndremitsara Tarzan, solontenan’ny Fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT