MPIKAMBAN’NY GOVERNEMANTA VAOVAO

« Tokony olona matahotra an’Andriamanitra »


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Tokony ho olona matahotra an’Andriamanitra ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta

vaovao hoy Pastera Heritiana Randriarimalala. Olona matahotra an’Andriamanitra sy mandeha amin’ny fahamarinana sy fahitsiana mantsy hoy izy no tena tsy ampy eto amin’ity Firenentsika ity. Hatramin’izay hoy izy dia saika olona tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany manokana, mampanjaka ny Fitiavan-tena, lalan-diso izay tena efa tokony hihoharana raha ho an’i Madagasikara manokana no teo ka tokony hovaina. Vavaka hataony sy hetahetam-pony araka izany ny mba hisian’ny olona tahaka izany hitondra sy hitantana ny Firenena manomboka any amin’ny Filoha ka hatrany amin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta. Nomarihiny moa fa raha misy olona 1000 eto Madagasikara, tsy maintsy misy iray amin’ireo mba tena tia tanindrazana sy matahotra an’Andriamanitra tokony mba ho tafiditra ao anatin’ny governemanta vaovao hitsangana eo. Mikasika ny hamaroan’ireo tsy miankina voafidy ho solombavambahoaka dia notsindriany fa efa tena leo mpanao politika ny vahoaka Malagasy. Ny politikan’ny fahombiazana mantsy izao hoy izy no tena ilaina fa tsy politikan’antoko izay tsy hatokisan’ny vahoaka intsony.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT