Politique

Mpifidy vaventy ao Arivonimamo Raviravizan’ny HVM 2 hetsy isan’olona


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Ny rindrina aza, hono, manan-tsofina ary tsy misy afenina izay tsy hiseho raha mbola kajikajy politika eto amin’ity Madagasikara ity.



Efa tsy takona afenina fa vaky ambatolampy izao ny tetiky ny HVM, antoko eo amin’ny fitondrana, handresen-dahatra ny mpifidy amin’ny fifidianana Loholona hotanterahina amin’ny heriny anio. Fahasahiana mihitsy aza no nilazan-dRakotovao Rivo filoha nasionalin’ny HVM fa dia handrombaka 100% ny toerana ao Anosikely izy ireo amin’ny 29 desambra 2015, fanambarana izay tena mifanohitra amin’ny tena demokrasia mihitsy, ary nahabe resaka teto an-toerana fa dia ho fombafomba fotsiny ihany izany ny latsabato hatao amin’io andron’ny alarobia io fa efa vita mialoha ny fifidianana. Na izany aza dia hita ho tsy tafandrimandry ny HVM ka manao ramatahora amin’ny fampiasana fahefam-panjakana, ankoatra ny resa-bola. Izay tsy manaiky raviravizana vola, dia rahonana hosoloina PDS na filohan’ny delegasiona manokana izay Ben’ny tanàna tsy mifidy lisitry ny HVM. Ireo minisitra ao anaty governemanta mihitsy moa no mitety Distrika miaraka amin’ireo kandidan’ny HVM manao izao fomba ratsy rehetra izao. Tetsy Arivonimamo izao, ny alatsinainy teo dia natao fafikatrana ny vola. Nisy fizarana 5 alina Ariary isaky ny mpifidy vaventy nasaina tamin’ny fampielezan-kevitra, hiantohana sarandalana amin’ny androm-pifidianana. Mbola nampanatenaina homena roa hetsy Ariary isan’olona ihany koa izy ireo raha tsara sy mahafa-po ny voka-pifidianana amin’ny 29 desambra 2015, ary dia zary ronono an-tavy aza ny ambiny toy ny fampanantenana hanamboatra lalana 10km, hatao tara, isaky ny Kaominina raha tratra ny tanjona. Toerana fito isaky ny Faritany moa no iadiana amin’io alarobia 29 desambra io. Lisitra miisa 9 no hifaninana ato amin’ny faritanin’Antananarivo, 1-Gasikara Maitso, 2-Marina Désiré, 3-HVM, 4-Mapar, 5-MMM, 6-Mangarano, 7-Arema, 8-Malagasy Sambatra ary 9-Tiako i Madagasikara.

Rabri

Hofidiana mivantana ny 42 amin’ireo Loholona vaovao miisa 63 hiasa ato

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT