Mampiseho ny fahavononany ny antoko Tiako i Madagasikara amin’izao fanombohan’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana senatera 2015,
hoy Rtoa Olga Ramalason lohalisitry ny kandidà senatera TIM Faritanin’Antananarivo teny Tanjombato omaly. Manaporofo izany ny fanokafan’ny filoha nasionaly, Marc Ravalomanana tenany mihitsy an’izany fampielezan-kevitra izany omaly talata 8 desambra 2015 sy ny fanotronan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna TIM manerana ny Faritany teto Tanjombato ary teo ihany koa ny fanotronan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny antoko hafa naneho ny fahavononana hiara-dia amin’ny antoko TIM amin’izao fifidianana ho avy izao. Tena vonona ireo olom-boafidy ireo ary vonona ny hampanjaka ny foto-kevitra hijoroana fa tsy voaviraviram-bola. Ny ahiana fotsiny dia ny hoe : toa misy ny teritery sy tsindritsindry eny anivon’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina TIM any amin’ny misy azy avy any, araka ny tatitra nataon’izy ireo, nefa tsy matahotra akory izy ireo fa efa vonona ny hiatrika ny fifidianana hatao ary tena vonon-kandresy na dia eo aza ny tsy fankasitrahana loatra ny fombam-pifidianana hatao izay tsy dia mifanaraka loatra amin’ny demokrasia sy mangarahara noho ny fanambarana ny vata fandatsaham-bato maromaro avy amin’ny kaominina misy ho eny amin’ny distrika tsirairay avy fa manjary tsy misy ny tsiambaratelon’ny latsa-bato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.