Nandritra ny andro natokana ho an’ny Wildlife Conservation, hifanakalozan-kevitra momba ny fiarovana ny tontolo iainana dia nasongadin’ny kandida Dr Robinson Jean Louis, filoham-pirenena, ny fitaran’ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny tsy fitoniana ara-politika sy ny kolikoly hatramin’ny taona 2009.
Nilaza izy fa i Madagasikara dia manana ny karazan-javamaniry sy biby tsy mena-mitaha amin’ny hafa ary harena voajanahary tsara indrindra eran-tany izay tokony hampirehareha antsika. Indrisy anefa fa tsy nahay nihazona ny fanekeny hiaro ny tontolo voajanahary iainan’ny firenena ny fitondrana ankehitriny. Tsy maintsy atsahatra ny fanaovana gaboraraka ny fitrandrahana andramena tsy ara-dalàna. Olom-bitsy maty eritreritra no mahazo an-tapitrisany dolara maro nefa hodian’ny governemanta tsy hita. Mampanantena aho fa hotratrarina ireo olona ireo ary asaina manonitra ny fitiavan-tena mihoapampana nataony. Tsy maintsy hofaranana amin’ny 20 desambra ny efa-taona nanimbana ny tontolo voajanahary iainantsika, hoy i Jean Louis Robinson, ary amin’ny maha kandidan’ny Avana, izay tohanan’ny ankolafy Ravalomanana azy, dia nanome toky izy fa ny governemanta tarihany dia hanao ho laharam-pahamehana ny tontolo iainana. Hanao izay rehetra azo atao izahay hanarina ny fahasimbana hita tao anatin’izay efa-taona lasa izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.