Politique

Mpiasan’ny minisiteran’ny tanora Manohana ny tolon’ny depioten’ny fanovana


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Efa ela izahay no nitabataba fa marary ny teknisianin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny sendikan’ireo mpiasa, Cyriaque Simon, raha niomana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa taminy tetsy amin’ny minisitera etsy Ambohijatovo hidina hitolona ho eny Analakely omaly.

 

 Tsy nomena hasina ireo teknisianina malagasy nivoaka tamin’ireo sekoly fanofanana miisa 2 eto amintsika dia ny « Institut national de la jeunesse » sy ny « Akademie des sports ». Naleon’ny minisitera, hoy izy, naka olon-kafa. Foano ireo sekoly 2 ireo rehefa tsy ilaina ny teknisianina avoakany fa tsy hoe alefa ihany ny fifaninanana (concours) kanefa avy eo izay mivoaka ao tsy raisina akory. Ampy izay ny fanaovana tsinontsinona ny teknisianina malagasy sy ny fampihorohoroana azy ato amin’ny minisitera, hoy hatrany ny tenany. Hidina eny Analakely izahay izao hanohana ny depioten’ny fanovana satria mba mila fanovana koa. Ny tompon’andraikitra ato amin’ny minisitera mibaladilady any fotsiny, araka izao fahitanareo mpanao gazety azy izao, hoy hatrany izy. Tsy misy asa mandeha intsony ato ary na ny any amin’ny faritra aza hijanona manomboka amin’ny alatsinainy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT