Mpiasam-panjakana

Mitohy ny fanerena azy ireo hanohana kandida laoranjy


  • Talata 09 Aprily 2024

Miseho hatrany ireo endri-javatra manamafy ny ahiahy momba ny zotram-pifidianana,

indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra. Mandeha ny fanerena ankolaka na mivantana ireo mpiasam-panjakana hiandany amin’ny politika. Ohatra velona ny tranga tany amin’ny distrikan’I Beloha, izay ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana na ny CHEF CISCO no voalaza fa nanao antso an-taratasy niantso mpampianatra rehetra ao amin’ny Faritra iadidiany hanatrika ny fametrahana ny dosie firotsahan-kofidian’ny kandidam-panjakana. Nasaina hanotrona sy hanao akanjo volomboasary ireo mpampianatra eny amin’ny EPP, CEG, ENFP, PRESCO, raha ny hita tao anatin’io taratasy io. Tsy nisy ny fandisoana ofisialy an’izany hita hatramin’ny omaly, ary tsy dia tranga vaovao io, fa zary efa lasa fomba fiady ara-politika eto ny fanerena ny mpiasam-panjakana hiandany amin’ny fitondrana. Horohoroina hafindra toerana ireo efa mpiasam-panjakana raikitra, rahonana ankolaka tsy ho voaray ho mpiasam-panjakana ny FRAM, alaina ny fitaovana,… Mateti-pitranga izany rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana izao, saingy matetika tazanim-potsiny amin’ny ankampobeny, ary betsaka ny mety ho endrika isehoany, toy ny fanovana sefom-pokontany maro mampiahiahy, ny tranga samihafa any amin’ireo minisitera,… Ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no milaza mazava fa anjaran’ny fitondram-panjakana no miantoka ny tsy fiandanian’ny Fitsarana, ny tafika, ny fampianarana,… amin’ny politika ary voarara tanteraka, saingy tsy vaovao eto amintsika ny fandikan-dalàna sy ny Fanjakana tsy tan-dalàna. Betsaka ny fitanilana. Samy fivadihana tamin’ny antoko nipoirana izao ihany fa ny depiote mpanohitra mivadika volomboasary tsy miongana fa ny volomboasary lazaina fa mivadika miongana eny amin’ny HCC,… Firifiry ny fitoriana novolavolain’ireo manam-pahaizana fa moa mbola nisy mpanohitra tena nahazo rariny na tamin’ny fifidianana farany teo na ny talohan’izao? Moa tsy ny vaton’ny mpitory indray no nahena tamin’ny fifidianana Filoha farany teo ? Vao ny 20 martsa lasa teo no nanao fampitandremana hentitra ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa fa izay manao vinany eo ka manao resaka tsy fahamarinana, fangalaram-bato, mampiasa fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana,… dia hikapoka mafy ny HCC mba hijanonan’izany fomba ratsy izany mba hisian’ny fifidianana tena madio ». Mbola afaka manantena an’izany ve ny rehetra? Ho foana ve ny hala-bato amin’ny endriny maro sy fampandresena ny kandidam-panjakana miainga amin’ny didy tsy azo hivalozana?
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT