Mpiara-dia amina kandida iray

Novonoina avy eo nalaina ny finday sy ny rantsan-tànany


  • Talata 17 Oktobra 2023

Lehilahy iray antsoina hoe: Rakotoson Johary na Zozo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Toliara,

hita faty tao an-tranony tao amn’ny Fokontany Besakoa, raha ny vaovao niparitaka omaly. Mpikirakira ara-informatika no asany, ary voalaza fa mpiara-dia amin’ny Kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Isan’ireo tanora mpandraharaha voalaza fa tena nahiratra sy matsilo saina na “surdoué” amin’ny lafiny informatika. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy, fa ny findainy sy ny rantsan-tànany no voalaza fa nalain’ireo tsy mataho-tody, niampy ny “caméra de surveillance” sy ny “disque dur” tao amin’ilay toerana. Heverina avy hatrany, fa nentina namahana ilay finday no nakana ny rantsan-tanany, ary tsy hahafahana mahafantatra ny mpanao ratsy no nakana ireo fitaovana hafa. Ao anatin’ny toe-draharaha politika mafampana no isehoan’izao ka maro no mametra-panontaniana hoe: mifandraika amin’izany ve noho ity farany voalaza fa mpiara-dia sy olona tena nahatokisan’ny kandida iray? Mpikirakira informatika ity mpandraharaha tanora novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity ka misy ifandraisany amin’ny resaka tsiambaratelo mikasika izany toy ilay rindram-baiko Predator izay voalaza fa natao hitsikilovana olona ara-politika ve?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT