Mpanolotsaina ambony miisa 4 ny PRRM

Mitovy zo sy tombotsoa amin’ny


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Filoham-panjakana, hoy ny HCC

Nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny andraikitry ny “kolonely” efatra, izay mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika na PRRM. Nisy ny fangatahana fanazavana nataon’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael, izay nitondran’ny HCC valiny. Ao anatin’ny didy navoaka omaly 18 novambra 2025, nanamafy ny HCC fa ny Kolonely Lucien Rabearimanana, Médecin Kolonely Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, Kolonely Solofoniaina Thierry Rampanarivo, ary ny Lieutenant-Kolonely Gervais Andriamiarisoa dia manana ny anaram-boninahitra hoe Mpanolotsaina ambony ao amin’ny Fanavaozana ny Repoblika. Noho izay toerany izay, manana andraikitra fototra “hanampy ny filoha amin’ny fanatanterahana ny asany”. Na dia tsy manana ny fahefana rehetra araka ny Lalàmpanorenana toy ny Filoham-pirenena aza izy ireo, dia mbola manana laharahana ambony araka ny arofenitra mitovy amin’ny Filoham-pirenena ihany. “Ireo Mpanolotsaina Ambony ireo dia manana zo hahazo tombontsoa sy zo mitovy amin’ny Filoham-pirenena ”, araka ny didin’ny HCC. Navoitra fa ny fahefana miaramila tarihin’i Kolonely Michaël Randrianirina izay natolotry ny HCC taorian’ny fanamafisana ny fahabangana teo amin’ny fitondrana, dia rafitra manana andraikitra hitantana ny firenena mandritra ny fotoana voafetra, “rafitra misy manamboninahitra miaramila dimy izany, ka Kolonely Michaël Randrianirina no filoha ary ny efatra hafa manana ny anaram-boninahitra hoe Mpanolotsaina Ambony”. Taorian’izany, nanambara ny HCC ny hisian’ny didim-panjakana mamaritra ny fikambanana sy ny fiasa ao amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Malagasy izay havoakan’ny filoha. Tamin’ny 31 Oktobra, efa nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny rafitra sy ny fiasa ao amin’ny Fiadidian’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika Malagasy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT