Politique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

 

 Gerard Ramamimampionona. Tokony hotsaroana foana, hoy izy, ny fiaraha-mientan’ny antenimieram-pirenena tamin’ny fifidianana ny filohan’izy ireo. Zava-dehibe tamin’iny ny hoe tsara fiainga ny antenimiera satria olona afaka mifampiresaka no tafaray tao anatiny. Matoa nisy izao fivoriana tsy ara-potoana izao handinihana ny resaka fanoherana dia noraisina ho zava-dehibe izany io resaka io. Ny lalàna dia miaina. Manana andraikitra amin’ny famerenana ny fitokisany ny vahoaka ny mpanao politika ka inoako fa na ny mpanohitra na ny mpitondra dia manana tanjona hanatsara ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tokony ho mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo ireo noho izany. Ny antso avo ataon’ny CFM dia hoe aoka hojerena ny tombontsoam-bahoaka. Tsy maintsy hevitra iray no avoaka ao Tsimbazaza ka zava-dehibe ny fahaizana miady hevitra anaty fifanajana sy fitiavan-tanindrazana. Hipetrahan’ny olana ilay hoe lalàna tsy nampiharina anefa ovana sahady. Be dia be ny lalàna toy izany teto ka ny vahaolana dia tokony hipetraka ny fanadihadiana mikasika ny antony tsy nampiharana azy ireny, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT