Tontosa ny sabotsy teo tao amin'ny Magro Mahajanga be ny fikaonandoham-paritra nataon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, na RMDM faritra Boeny,
na dia nisy sakana maro aza natao tamin’ny mpitolona tao Mahajanga, hoy ny fampitam-baovao voaray. Raha ny fandaharam-potoana voafaritra dia tokony natao tao amin’ny “Hotel du Bonheur” Antanamasàja ity fivoriana ity. Nody niandalana tsikelikely noho izany ny sasany tamin’ireo olona marobe tonga teny an-toerana. Mbola maro be ihany na izany aza ireo namaly ny antso tao anatin’ny fifindrana tampoka, hoy hatrany ny fampitam-baovao, na dia nosakanana tsy hiditra ny hotely voalaza teo aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.