Ao ireo nisafidy ny hangina tanteraka ary tsy hay hoe miandry kendry tohana ve sa ahoana ?
Misy koa ireo heno fa manova paikady mba hisiana endri-panoherana vaovao mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Isan’ny heno ho nanatanteraka fivoriana mikaton-trano tamina toerana iray tetsy Tsaralalana, ohatra, ny herinandro teo ny avy eo anivon’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI sy ireo mpiaradia aminy. Ny antoko politika Tiako I Madagasikara moa taorian’ilay fiarahan’izy ireo nandany 100% ny filohan’ny antenimieram-pirenena iny dia manomboka mitabataba kosa ankehitriny manohitra ny fikitihana ny lalana mifehy izay mpanohitra eto Madagasikara izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.