Politique

Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

etamazaoro politika avy aty amin’ny fanoherana ny fitondrana mijoro ankehitriny nandritry ny fanotronana ireo depiote nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny governemanta, izay nanao fanambarana niantso ny hery velona hafa hijoro hiaraka aminy hiady ho amin’ny fampanarahan-dalana eto amin’ny firenena. Tao ny avy amin’ny antoko politika MMM, ny MTS, ny TIM, ny HVM, ny Les As. Tazana tao ihany koa ny avy amin’ireo vondrona sy vovonana politika toy ny Panorama, RMDM, MMS, VPHM sy ny maro hafa. Nanamarika indrindra ny fanotronan’ireo filoham-pirenena teo aloha mirahalahy, Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana, ny fotoana. Porofo ny maha iray tsy mivaky ny mpanohitra izao, hoy ny serasera novoizina. Tsy misy mila tetezamita izany eo fa ny hahatongavana amin’ny fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no tanjona. Nitohy omaly teny amin’ny Novotel Alarobia moa ny fihaonana nandritry ny fifampidinihana ahatongavana amina fifidianana madio mangarahara ny zoma lasa teo. Hatreto dia mamofompofona fanohanana kandida tokana ny eo anivon’ny fanoherana ao anatin’izao 6 volana mahery kely tsy hahatongavan’izany fifidianana izany izao. Raha ny resaka miely heno teny amin’ny lalantsara rehetra teny rahateo dia hita ho mizotra mankany amin’izany. Misy loharanom-baovao ihany koa anefa manambara fa tsy mety mahita marimaritra iraisana ny mpanohitra ny amin’ny hoe kandida tokana ammin’ny fihodinana voalohany fa dia mety samy hitondra ny lokony ihany aloha, fa any amin’ny fihodinana faharoa any vao mety hanambatra hery. Tsy mora ilay mikaroka marimaritra iraisana eo amin’ny samy antoko, izay samy manana ny vinany sy ny fandaharanasany, ary indrindra ihany koa fa manana mpitarika izay mbola hita hoe te hiverina mafy eo amin’ny fitondrana amin’ny herin’ny tenany manokana fa tsy te hiankin-doha amina vondrona politika hafa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT