Mpanohana ny filoham-pirenena

Taratra ny ady mangatsiaka


  • Talata 19 Martsa 2024

Nanao fanambarana ny fitsanganany tetsy amin’ny Arena Ivandry omaly ny vovonana politika IRMAR

na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Antoko politika miisa 13 ao anatin’ny vondrona ARMADA dia ny ADN, AKFM, AKFM Fanavaozana, Avana, Avi, Freedom, GFFM, Hiaraka isika, Liaraike, Maitso, MDM, RPSD, TGV ary ireo mpikambana avy amin’ny antoko Leader Fanilo no isan’ny mandrafitra ity vovonana ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Ao anatiny koa ireo fikambanana sy antoko politika miisa 19 ao anaty vondrona politika UPAR ary ireo fikambanana tanora sy fikambanam-behivavy miisa 88 miparitaka manerana ny nosy, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly. Isan’ny fanamarihana natao moa no hoe tsy manavaka, tsy mialon-jafy saingy na ny fomba nanononana na nandraketana an-tsoratra ireo mpikambana aza anefa dia hahitana taratra sahady izay fanavahana izay. Maninona misy antoko sady tononona ny anarany no tononina ny vondrona misy azy dia maninona ny an’ny sasany no anaran’ilay vondrona fotsiny? Ny sasany aza moa tsy notononina mihitsy fa avy dia noboriboriana tamin’ny hoe fikambanana na fikambanam-behivavy. Na izany na tsy izany dia azo ambara ho vono lolo amin’ireo mpifanandrina politika no narangaranga fa ho hita eo izay ho vokany aloha! Tsy nisy fiovana taratra loatra rahateo ihany koa, raha ny mikasika ireo vondrona sy antoko voatonona voalaza ho mandrafitra ity vovonana ity sa misy antony manokana tokoa ve ny tsy nanononana ny anaran’ireo antoko na fikambanana sasany? Na hita ho ezahana hafenina mafy aza dia taratra ihany ny ady mangatsiaka eo amin’ireo milaza ho mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny raha vao nijery ny firafitr’ilay fanambarana fotsiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT