Mpanohana fitondrana voailika

Manomboka manova fanehoan-kevitra


  • Talata 13 Aogositra 2024

Azo ambara hoe efa hatrany amin’ny fiandohan’izao fotoam-piasana faharoan’ny filoham-pirenena,

Andry Rajoelina, izao no manomboka manova fanehoan-kevitra na ilay antsoina mahazatra hoe «miova langage» ireo mpanohana fitondrana, izay heverina fa nahatsiaro tena ho voahilika tao anatin’ny ambara matetika hoe tolona niarahan’izy ireo hatramin’ny taona 2009 na koa hoe voailika tanatin’izao fitondrana izao. Na tsy tena milaza mivantana ny atao hoe asosorana sy mety ho otrikady any anatiny avy any aza izy ireny dia voavakin’ny sarambabem-bahoaka ihany ao anatin’izany rehetra izany ny tsy fahafehezan’ny ankamaroany ny fihetseham-pony. Tao ny nilaza fa raha tsy izy, ohatra, no teo tamin’izany 2009 izany, tsy ho tonga tamin’izao toerana misy azy izao mihitsy ny filoham-pirenena. Tao ny nahavita nilaza tamin’ny onjapeony manokana mihitsy fa tsy nisy fitondrana nanangana ady taminy izany ka naharitra. Ny sasany moa tsy fahenonao miresaka firy izany olan’ny JIRAMA izany hatramin’izay naha solombavambahoaka azy kanefa dia gaga ny mpanara-baovao maro fa tena nanao tsikera mahamaivay mikasika izany orinasam-panjakana mampijaly vahoaka amin’izao fotoana izao izany indray izy ankehitriny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT