Raikitra ny savorovoro nanoloana ny
lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny tapany marainan’ny omaly. Nifampitàna teo ny mpanohana ny ben’ny tanànan’Antananarivo am-perinasa, Harilala Ramanantsoa, sy ny ekipan’ny mpanolontsain’ny tanàna, Clémence Raharinirina. Takiana, hoy ny an-daniny, ny fanalàna ny ben’ny tanànan’Antananarivo satria anatin’ny fanadiovana isika izao. Takiana ny volan’ny orinasa misahana ny fanadiovana na SMA, hoy izy ireo. Avereno amin’ny kaominina ny fitantanana! Aiza ho aiza ny fanazavàna ny vola nindramina tamin’ny CNaPs? Isan’ny hitakiana ny fialànao, hoy hatrany izy ireo, ny firaisana tsikombakomba tamin’izany fa indrindra ny fahalanianao tamin’ny hala-bato. Nangataka an’i Clémence Raharinirina ho atao PDS moa izy ireo. Tetsy ankilany dia nitabataba koa ireo manohana ny ben’ny tanàna ankehitriny hoe «Tsy miala i Harilala!». Tsy ireo tonga manakorontana eo ireo izany, hoy izy ireo, no tena ambany tanàna fa izahay mpivarotra tsy mila korontana. Tsy voavidy vola izahay, hoy ihany izy ireo, tonga eto fa manohana ben’ny tanàna lanim-bahoaka. Samy nilaza ho tsy voavidy vola daholo moa ny andaniny sy ny ankilany, raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana hatrany. Andrasana ny tohiny.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.