« Tsy dia manao ireny fampielezan-kevitra be hamoriana olona ireny izahay hatreto, fa aleonay ny manatona sy mifandresy lahatra ny mponina sy manentana ireo mpifidy eny amin’ny tokantranony, eny amin’ny fokontany misy azy, ary eny amin’ny toerana hifanenana amin’izy ireny. Afaka mifanakalo hevitra tsara amin’izay, afaka maneho ny heviny izy ireo, ary afaka manazava sy mandresy lahatra azy ireny izahay… », izay no nambaran’ireo ekipa mpanohana ny kandida ho filoham-pirenena tohanan’ny ankolafy Ravalomanana avy amin’ny antoko Avana, Dr Robinson Jean Louis. Ho an’ireo mpanohana ny kandida Dr Robinson Jean Louis ao Toamasina ireto, dia ny fampandaniana ny kandidany izay antoky ny fiafaran’ny tetezamita sy antoky ny fampandrosoana marina ary antoky ny fihavanana tena izy, no vahaolana amin’ny zava-manjo ny firenena malagasy nanomboka ny taona 2009, sy ny zavatra iainan’ny malagasy manerana ny nosy nandritra ny krizin’ny fanonganam-panjakana teto. Vokatra ny asa ataon’izy ireo nandritra izay fotoan’ny fampielezan-kevitra izay, dia mahita ireto mpanohana ny kandida Dr Robinson Jean Louis ireto, fa manomboka resy lahatra sy miaiky ary manantena fa izy ihany no fototry ny tena fanovana tadiavin’ny malagasy sy ny firenena, amin’ny fitarihana ny fampandrosoana eto miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.