Totoafo ny fihaonan’ny ireo mpisehatra politika ato Vakinankaratra ny faran’ny herinandro lasa iny. Taorian’ny fandalovan’ny mpanohana ny kandidà Dr Robinson Jean Louis izay notarihin’i Neny Lalao Ravalomanana dia fantatra fa tonga tao ihany koa ny mpanohana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina notarihin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana.
Saika ireo mpiasam-panjakana ny an’ity farany no novoriany tao amin’ny Centre DIANTANA, route d’Ambositra Antsirabe ny alahady 24 novambra lasa teo. Raha ny resaka re tamin’ireo mpandray anjara tao dia saika fanaratsiana ranofotsiny ny kandidà mifaninana aminy no novoizina sy nampahalalaina ny olona tao raha toa ka fihavanana sy fifankatiavana no voizin’ny mpomba an-dradoko. Raha ny resaka notaterin’ny tomponandraiki-panjakana iray tafaresaka tamin’ny mpanao gazety dia nohamafisin-dRatsirahonana ny tsy maintsy hampandaniana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina satria “izay no baiko” ka hatao ny fomba rehetra hahatongavana amin’izany. Hovoizina mafy ihany koa fa ho fanavotam-pirenena no hampandaniana an’ity kandidà ity ka hovoizina mafy amin’izany ny filazana fa: «I Madagasikara an’ny Malagasy ary ny Malagasy ho an’i Madagasikara». Fitetezan-trano no tena hilofosan’izy ireo ka ny fampahafantarana ny lafiratsin’ny haha filoha ny mpifaninana no hatao amin’izany fa tsy ny fandaharan’asan’ny kandidà. Raha ny fahitana azy dia fanerena an-kolaka ny tompon’andraiki-panjakana mihitsy ity resaka ity satria saika ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana ao Vakinankaratra miaraka amin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Faritra ny ankamaroany, miampy ireo efa nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihodinana voalohany. Asa aloha izay fepetra raisin’ny Vaomiera manokana momba ny fifidianana sy ny mpanaramaso ny fifidianana fa raha ny zavatra hita sy re dia efa manomboka ny fanerena ankolaka ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra izay azo lazaina fa faritra be mpifidy tokoa eran’i Madagasikara satria manana mpifidy manodidina ny 701.711 eo ho eo. Samy hotsarain’ny tantara eto ihany e !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.