Mpanelanelana tarihin’ny PAN sy FFKM

«Mety hampi-doza io fifidianana io, tompon’andraikitra izay mikiribiby »


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Nanamafy ny vovonana ho amin'ny fifampidinihana sy fanelanelanana izay tarihin’ny Filohan’ny

Antenimierampirenena sy ny FFKM omaly, fa tsy feno ny fepetra hahafahan'ny vahoaka malagasy miroso amin'ny fifidianana rahampitso faha-16 novambra ho avy izao. Nambaran'izy ireo hatrany fa tandidonin-doza ny fiainam-pirenena satria vao mainka mety hampidi-doza io fifidianana io, ary isan’ny noresahany nandritra ny fihaonana tamin’ny Vondrona Eoropeanina, SADC, solontenan’ny firenena maro toa an’i Angleterre, Japon, Afrika Atsimo, Rosia,... « Tsy vovonan’ny mpanohitra, saingy tsy mankatoa fifidianana tsy manaraka ny fenitra, teren-ko masaka na tery vay manta. Fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra no ilaina ho an’ny fandalana ny demokrasia. Ny didy maro navoakan’ny HCC no isan’ny tranga mahatonga izany. Tompon'adraikitra feno amin'izay loza mety hitranga eto amin'ny firenena ireo izay mikiribiby hanatanteraka izany sy izay manohana azy na amin’ny fomba ankolaka na mivantana », hoy ny fanambarana novakian-dRtoa Christine Razanamahasoa. Maro ireo endrika isehoan’izany toy ny HCC izay tsy nanaja ny fianianany hanaja sy hitandro ny lalàmpanorenana kanefa tsy izay no nitranga tamin’ny fanapahan-kevitra maro, ka tsy azo antoka intsony. Ny tsy fanarahana ny fanintsiana nangatahan’ny mpanara-maso iraisam-pirenena tahaka ny SADC niainga tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana tamin’ny 2018 ; ny lesoka maro teo amin’ny fanontana ny lisi-pifidianana sy ny fomba fiasan’ny CENI ; ny tsy fananan’ny kandida sasany fahafahana naneho hevitra am-pilaminana ; fitomboan’ny herisetra manerana ny nosy toy ny fandrahonana handoro biraom-pifidianana ; fisian’ny angidimbin’ny kandida notorahan’ny olona izay mbola tsy fahita ; fanagadrana solombavambahoaka filohana vondrona parlemantera ; fandefasana kojakojam-pifidianana tamin’ny taksibrosy,… Manampy trotraka ireny moa ny herisetra niseho tamin’ny endriny maro. Niantso hatrany ireo herivelona rehetra hifampidinika an-databatra boribory, hitadiavam-bahaolana manoloana ny toe-draharaha eto amin'ny firenena izy ireo, izay nanentana ny rehetra tsy hanary toky.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT