Politique

Mpanelanelana iraisam-pirenena : Misy ny tsy fitovian-kevitra ?


  • Zoma 22 Janoary 2010

Araka ny vaovao navoakan’ny Lettre de l’Océan Indien ary notaterin’ny BBC ihany koa, dia manomboka tsy miafina intsony ankehitriny ny tsy fitoviam-pijery sy tsy fitovian-kevitra eo amin’i Parisy sy Washington amin’ny famahana ity krizy politika eto amintsika ity.

 

Nandritra ny fihaonan’ny GOC tany Addis Abeba ny 06 janoary lasa teo, araka ny vaovao, dia notsipahan’i Etazonia ny tolo-kevitr’i Andry Rajoleina hanao fifidianana solombavambahoaka hoe hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Toa nanara-drian-drano ny fomba fijerin’i Frantsa anefa ny GIC, araka ny fanazavana, satria hifototra amin’ny fanerena hisiana fifidianana. Ka hanaporitra an-dRajoelina hanatontosa izany ao anatin’ny mangaraharaha sy ny fahamarianana araka izay azo atao, eny fa na dia tsy maintsy hahemotra aza izany. Ary dia tsy mifanalavitra amin’izay ny mety ho kisary tadiavin’i Jean Ping, izay mitarika ny fivoriana apetraka. Etsy an-danin’izany dia mitovy fijery ny Amerikanina sy ny Sadc.
Tsy faly amin’Ingahy Ping izy ireo, satria ankoatra ny mety ho fanarahany ny hevitry ny Frantsay dia toa nanao zinona ny filoha mozambikanina, Joaquim Chissano, izay nitarika ny fanelanelanana ny filohan’ny vaomiera eo amin’ny firaisambe afrikanina.
Araka ny vaovao ihany dia anisan’ny iraka ampanaovina an’Ingahy Ping amin’ity herinandro ity ny hangataka amin’i Andry Rajoelina ny hanemorana ny fifidianana izay kasain’ny FAT hatao ny 20 marsa ho avy izao. Hanery mafy koa ity solontenan’ny vondrona afrikani ity ny amin’ny tokony hisian’ny antoka ny amin’izay ho fizotry ny fifidianana ka tsy hitanila izay hikarakara izany, eo koa ny fanaganana ny vaomiera nasionaly mahaleotena hisahana ny fifidianana na ny Ceni. 
Nangonin’I Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT