Miovaova araka ny vanim-potoana tokoa ny politika! Na izany na tsy izany,
dia misy dikany sy misy lanjany lehibe ny nisintahan’ny ankamaroan’ireo olona tena akaiky an’I Andry Rajoelina tamin’ny raharaha 2009. Betsaka no efa nanao ampamoaka mikasika ireo teti-dratsy mamohehitra nilafihan’ny sarintsarina revolisionina, saingy ny vokatra tovozina mandrak’ankehitriny dia fahapotehana sy faharavan’ny firenena. Ny toa hanasokajiana an’ireo olona sahy nijoro sy namaky bantsilana ny tsy fanjariana politika samihafa tamin’ireny dia ny hoe: adala, tsy salama saina,… Nisantatra an’izany ry Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ireo tena mpandray anjara fototra, saingy niampanga tanteraka an’I Andry Rajoelina; tahaka izany ihany koa ry Jeneraly Rakotonandrasana Noel izay efa lasa nodimandry. Lasa aty amin’ny fanoherana an-dRajoelina ry Roland Ratsiraka, Hajo Andrianainarivelo, Monja Roindefo,… ary io karazan’ny miampanga ny fitondrana ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa izay ezahana henjehana mafy. Rehefa zohiana, ireo heverina fa olona tena nanana ny naha azy tamin’ny fanohanana sy fiarahana tamin’I Andry Rajoelina no efa miampanga azy ho tsy mahomby sy olan’ny firenena ankehitriny. Samy niampanga mivantana na ankolaka ny fomba fiasa sy fitananan-dRajoelina ny firenena, ny tsy fanajana lalàna, ny tsy fahombiazana, ny tsy fahafehezana ny diplaomasia,… Tena ireo mpanao politika ve no tsy nahay niara-niasa tamin’ny filoha ankehitriny sa kosa mahatsiaro ho diso fanantenana tamin’ny nafitsony? Marina fa miovaova ny politika ka ny mpiara-dia anio mety ho mpifanandrina rahampitso, ary ny mpifanandrina rahampitso mety ho lasa mpiara-dia aoriana, saingy ireny fiampangana sy ampamoaka maro samihafa ireny dia mamatotra an’ilay filoha ankehitriny ho zary lasa vato fototry ny fahapotehan’ny firenena noho ny sarintsarina revolisionina hosoka izay iny nofintinin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena iny fa toa nilafika fitaka ihany ka sarintsarim-pahafahana no misy ankehitriny, ary tsy ny rafitra no olana fa olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.