Mpanara-maso Safidy

Nametraka fitoriana 4 eny amin’ny HCC


  • Talata 11 Jona 2024

Nametraka fitoriana miisa 4 eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC

ny sehatra fanaraha-maso Safidy, manoloana ny fifidianana depîote notanterahana teto Madagasikara ny 29 mey lasa teo. Ny 3 tamin’ireo miompana amin’ny fanatsikafonana ny tranga fanitsakitsahana ny lalàna fototra mikasika ny fampielezan-kevitra dia ny nampiasana fahefam-panjakana sy mpiasam-panjakana ; fangatahana ny fanafoanana ny vaton’ny kandida tany amin’ny fari-piadidiana voakasika ; fangatahana mihitsy ny fanafoanana ny zotram-pifidianana amina birao fandatsaham-bato maromaro noho ny tsy fahampian’ny sonia miisa 2 tao an-damosin’ny bileta tokana nampiasaina. Niantso fanenjehana ara-pitsarana ireo nanao tsindry sy fanohintohinana ireo mpanara-maso ara-pifidianana ihany koa ny Safidy. Manantena izy ireo fa hitsara am-pahintsiana sy tsy mitanila ireo fitoriana ireo ny HCC, ary mino fa handray fepetra mba hanamafisana sy hampanjakana ny tena demokrasia, ary hiantoka ny fanajana ny safidim-bahoaka. Dia andrasana ihany koa izany ny vokana satria manana 16 andro aorian’ny vokatra ofisialin’ny CENI ny HCC. Hitsara araka ny tokony ho izy sa handeha amin’ny azo raisina fa tsy mitombina amin’ny endriny hafa ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT