Miasa mafy ny ekipan’ny filoha ankehitriny amin’ny fitadiavana ny hevitra sy lalana ambanin’ny tany hifikirana amin’ny fahefana miaraka amin-dRajaonarimampianina. Tena mitolona mba hamotsy ny efa mainty mihitsy.
Atao anefa izay hifikirana eo, ka vita amin’ny ampahany aloha ny dingana lehibe nampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana efa niteraka gidragidra. Anisan’ny niasa mafy tamin’izany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Nalaza ny resaka fizaram-bola nividianana solombavambahoaka, ary nivoaka ny horonantsary toa manaporofo izany. Miezaka manda mafy anefa ny depiote HVM, ka milaza fa tamin’ny taona 2016 iny horonantsary iny, araka ny nambaran’ny depioten’i Mananjary Anthelme Ramparany. Raha ireto solombavambahoaka aloha, dia karazan’ny mitsinjo ny aoriana kely satria efa ho tapitra ny taom-piasana. Miezaka manangon-karena amin’ny fomba manara-penitra, ka na hivarotana ny fanahy aza toa tsy olana amin’ny sasany intsony. Ho an’ireo mpikamban’ny governemanta, dia maro no mbola manantena ny hiadam-pinaritra amin’ny filoha ankehitriny eo amin’ny fahefana. Tsy vitsy anefa no ho diso fanantenana satria raha sanatria mbola tafaverina eo Rajaonarimampianina, dia tsy maintsy hanova ekipa ary tsy maintsy hitady fitoniana. Maro no ho voahilika, ary hiverina indray ny tahaka ny tamin’ny 2014 nitsipahan-doha ny namana. Lojika raha tsy dia mivaky loha amin’izay fampandrosoana ny ankamaroan’ny mpikamban’ny governemanta fa mangoron-karena amin’ny fomba rehetra satria tsy fantatra izay hiseho. Malaza amina afera maloto sy kolikoly ny ankamaroany ary tsy dia misy miraharaha an’izay haja amam-boninahitra intsony fa baikoin’ny vola aman-karena. Efa tena maty eritreritra !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.